Henjan-droa ny tady eo amin’ny Mesupres sy ny Seces. Mitana ny heviny ny roa tonta. Manameloka ny mpampianatra tsy nampianatra nandritra ny 5 volana ny fitondram-panjakana.
Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres), tamin’ny alalan’ny fanambarana nataony omaly, fa misy amin’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana no nitokona ka tsy namita ny asany nandritra ny 5 volana teto Antananarivo. Nampianatra hatrany kosa ireo mpampianatra tany amin’ ny oniversite isam-paritany.
Voalazan’ny andininy faha-10 ao amin’ny Lalàmpanorenana anefa fa malalaka ny fanehoan-kevitra saingy voafetra ao anatin’ny fifanajana tanteraka ny fahafahana sy ny fanajana ny zon’ny hafa ary koa ny fiarovana ny filaminam-bahoaka izany.
Raisin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ho fandikan-dalàna, araka izany, ny fanerena mivantana na ankolaka ireo mpampianatra manatanteraka ny asany. Melohina ihany koa ny endrika fifandrafiana sy fampisaraham-bazana ary fandrahonana eo amin’ny samy mpampianatra na amin’ ny mpandraharaha na amin’ny mpianatra tsy manaiky handray anjara amin’ny fitokonana.
Nomarihin’ny fanambarana fa ny oniversite rehetra miankina amin’ny fanjakana dia tafiditra anaty faritra ho an’ny daholobe izay manatanteraka raharaham-bahoaka ka ananan’ny rehetra zo hivezivezy malalaka. Fanosihosena ny zo fototra ny fanakanana ny fivezivezen’ny mpila raharaha eny na dia eo aza ny “franchise universitaire”.
Tetsy andaniny, milaza ho manohy hatrany ny ezaka ho famaliana hatrany ny fangatahan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny fanjakana. Manao izay hiverenana sy hamaranana ny taom-pianarana 2022-2023 amin’ireo sampam-pampianarana tsy mbola nahavita izany ihany koa.
Tatiana A




