vaksinin’ny kitrotro : Iantohan’ny Gavi ny 98%

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny vidin’ireo vaksiny miaro amin’ny kitrotro ho an’ny taona 2024. Ny 2% amin’ ny vidin’ny vaksiny izay mitentina 36 202,79 dolara, araka izany, no horaisin’i Madagasikara.
Raisin’ny fikambanana Global Alliance for Vaccines and Immunization (Gavi) kosa ny 98% izay mitentina 2 362 633 63 dolara. Ny tetibolan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no hiantoka manontolo ny fandoavana io 2% izay fandraisan’ anjara amin’ny vidin’ny vaksiny iadiana amin’ny kitrotro io.
Marihina fa tamin’ny taona 2018 sy 2019 dia nirongatra teto Madagasikara ny valanaretina kitrotro. Nandrafitra paikady nentina hiatrehana izany ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka ary nahitana fahombiazana izany.
Nanome toromarika ny fikambanambe iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS ny amin’ny tokony hanohizana sy hanarahana ny paikady mba tsy hampiakatra ny tahan’ny aretina indray.
Izany indrindra no nahatonga ny Gavi hitondra tohana ho an’i Madagasikara amin’ny fividianana vaksiny, hampahomby tanteraka ny paikady amin’ny ady tsy hiparitahan’ny aretina kitrotro.

Tatiana A

Partager sur: