Natomboka ny herinandro teo ny tetikasa 26 nentin’ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena malagasy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny masoivohon’i Frantsa, mitentina 750 000 euros izy ireo. Nahazo fiofanana ireo fikambanana ireo nandritra ny herinandro manontolo.
Misy ny fanamafisana ny tambajotra iraisana sy ny fifampizarana fahaiza-manao mialohan’ny tena hirotsahana an-tsehatra any amin’ireo faritra 26 mandritra ny 12 volana anaovana ny tetikasa.
Tafiditra ao anatin’ny tahirim-bola Piscca izao fanohanana izao. Mifototra indrindra amin’ny fampiatiana ny vehivavy mandray anjara manoloana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny voka-dratsiny izany.
Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy no nanambaran’ny masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guillois, tamin’ireo solontenan’ny fikambanana 60 tany ho any izay mifaninana fa ny firenena frantsay dia maneho hatrany ny finiavana hanohana ny firaisamonim-pirenena malagasy.
Mahazo tombony manokana ao anatin’ny tetikasa ireo vehivavy sy ny ankizivavy izay heverina fa marefo kokoa manoloana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Ireo vehivavy sy ankizy koa no tena mpandray ajara mivantana ao anatin’ izany tolona izany.
Tatiana A




