Vokatry ny VIH/ Sida : olona iray isa-minitra no maty maneran-tany

Ilaina ny fampiharana sy ny fanatsarana ny lalàna, lany ny taona 2005, momba ny fiarovana sy ny fanaraha-maso ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida, ahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaboana sahaza azy.

Olona iray isa-minitra no mamoy ny ainy noho ny Sida, maneran-tany, araka ny voalazan’ny sekre­tera jeneralin’ny Firenena mikambana, Antonio Guterres, ao anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny Sida isaky ny 1 de­sambra. Tokony hofoanana hatramin’ny taona 2030 ity valanaretina ity satria lasa vesatra ho an’ny firenena. Hanatrarana ny tanjona, ilaina ny manome andraikitra ny olon-drehetra (firaisamano­nina sivily, ONG…) miainga eny ifotony : tafiditra ao ny fa­nentanana ny olona hanao fitiliana, sy ny fandresen-dahatra hahazoan’ny olona mitondra ny tsimokaretina fitsaboana sy tohana.
Zava-dehibe koa ny fisian’ ny vola entina miady sy manatanteraka ny ady. Tsy ampy sorabola mitentina 8 miliara Ariary isan-taona izy ireo.
Mahazo vahana ny aretina Sida eto Madagasikara. Ani­san’ny vontoatin’ny dian’ny talem-paritry ny ONUSIDA misahana an’i Afrika Atsina­nana sy Afovoany, Anne Muthoni Githuku-Shongwe, teto Mada­gasikara, ny volana jona lasa teo ny fahitana ny toe-java-misy izay manaitra satria tafakatra hatramin’ny 230% ny tahan’ny tranga amin’ny VIH/ Sida (taux d’incidence sur le VIH/Sida) eto an-toerana, amin’izao fotoana izao, taha izay ambony indrindra maneran-tany. Amin’ny taona 2030 no tokony hahatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra ho an’ny Firenena mikambana ary tafiditra ao anatin’ izany ny sehatry ny fahasalamana anatin’ny ODD fahatelo.
Ankoatra ny firaisana ara-nofo, mety mampiakatra ny antontanisa ny fitsindromana rôrô amin’ny fitaovana maloto sy ifandimbiasana. Nohama­fisina nandritra ny fihaonany tamin’ny tomponandraiki-panjakana fa ilaina ny fahazoana ny taha marina isam-paritra hampahomby ny fitsaboana sy ny fisorohana ny tsimokaretina.

Vonjy A.

Partager sur: