Nitondra fanazavana sy ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha mpanorina ny antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy. Nambarany fa nizotra am-pilaminana ny fifidianana. Nitafa tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI sy ny gazety Le Monde, ny minisitra teo aloha sady filoha mpanorina ny antoko Freedom. Namafisiny tamin’izany fa tsy misy krizy politika eto […]
Mois : novembre 2023
INDRAY MIJERY
Amin’ny ankapobeny, ahitana oram-baratra hatrany any amin’ny ilany andrefan’i Madagasikara, ankoatra izay ho maimaina. Eto Antananarivo, mahatratra 16°C ka hatramin’ny 28°C ny maripana ho an’ny anio. Tsy misy ny tranga tokony hatahorana ho an’ny morontsiraka fa tokony ho mailo ihany. Noraisina ara-teknika ireo fotodrafitrasa nataon’ny “Cicafe nouvelle planète” eo anivon’ny […]
Faritanin’i Toamasina: hiverina amin’ny tanjany ny FIZATO
Natao ny sabotsy teo, tetsy Analakely, ny fametrahana ny filoha vaovao, Rabemananjara Joseph Elire, hitarika indray ny fikambanan’ny zanak’i Toamasina (Fizato), mandritra ny 3 taona. Manamafy ny fisiany ny fikambanana mba ho hery fampandrosoana, hidinika amin’ny fanjakana, hitondra tolo-kevitra hamahana ny olana misy any amin’iny faritany iny. Ivondronan’ny faritra Analanjirofo, […]
Fampianarana teknika : niofana ny mpanazatra
Ho fanatanterahana ny asa tohanan’ny FCE eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, nohamafisina ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo mpanazatra. Sehatrasa 10, laharam-pahamehana, no niompanan’ny fanofanana, izay natao tany Farafangana. Nisitraka ny fanamafisam-pahaiza-manao ny mpampiofana sy mpampianatra any amin’ireo ivontoerana miandraikitra ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny, ny toeram-pisakafoana. Nahazo ny […]
Oniversiten’Antananarivo: hamita ny taom-pianarana 2022-2023 ny Seces
Tsy ho taona fotsy ny taom-pianarana 2022-2023 satria hiroso amin’ny famitana ny taom-pianarana ny mpampianatra mpikaroka ho fitsinjovana ny mpianatra. Niandry hatrany ny fampanantenana sy ny ezaka nataon’ny fitondrana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Seces Sampana Antananarivo. Niala nenina, nanao ny adidiny amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana […]




