Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo

Mateti-pitranga ny fanapozinana ara-tsakafo rehefa fety. Mitondra fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Manazava ny dokotera Rakotomavo Falihery.

Ankatoky ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona isika. Nitondra fanazavana mahakasika ny fanapoizinana ara-tsakafo ny dokotera Rakotomavo Fali­hery, anesthésiste, réanimateur ao amin’ny sampana vonjy voina, CHUJRB.
Aretina avy amin’ny sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina no anton’ny fanapoizinana ara-tsakafo. Eo koa ny akora simika na ody bibikely mety ho tonga eny amin’ny sakafo.
Mety ho tonga amin’ny fahasarotana na fahafatesana mihitsy ny fahapoizinana ara-tsakafo indrindra amin’ireo sokajin’olona marefo, toy ny zazakely sy ny vehivavy bevohoka na ny zokiolona sy ireo efa manana aretina mitaiza. Toraka izany koa ireo olona manana olana amin’ny hery fiarovana, toy ireo olona mararin’ny homamiadana na ireo mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida.

Hajaina ny fepetra
Ny sakafo tsy voadio na tsy masaka tsara na ratsy fitehirizana no mitondra poizina. Matetika manapoizina ny atody misy vaky na misy simba na maionezy…. Ny totokena na sakafo manta ohanina any amin’ny toeram-pisakafoana (tartare, sushi, ny hazandranomasina…) tena saropady.
Ireo sakafo ambifo-tsy efa mibontsina na misy fofona hafahafa na tsiranoka tsy azo antoka indrindra rehefa misy lomotra ihany koa dia tsy tokony hohanina mihitsy.
Ho an’ireo mpikarakaraka sakafo rehetra dia nanao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Fa­dia­na ny mandrora sy mandrehoka amin’ny toerana hikarakarana sakafo, tsy tokony hifoka sigara sy hihinam-paraky na ho mamo mandritra ny fotoana hanomanana izany. Manao aron’akanjo sy saron-doha ary arovava orona. Tokony ho fohy ny hoho ary tsy misy lokony. Hajaina ny fahadiovan’ny sakafo rehetra sy ny fitaovana ampiasaina. Sasana amin’ny savony ary kobanina amin’ny rano madio sy azo antoka ireo karazana fitaovana rehetra ampiasaina.

Tatiana A

Partager sur: