30 taona ny Peace corps Madagasikara: tanora amerikanina 1.600 nitondra fampandrosoana teny ifotony

Tany amin’ny taona 1993 no tonga voalohany teto Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitapo amerikanina na ny Peace Corps. Mankalaza ny faha-30 taona izy ireo ankehitriny.

Niantsehatra tamin’ny fampianarana no niandohan’ireo Peace Corps teto Madagasikara. Mano­didina ny 1.600 izy ireo no efa nandalo teto tao anatin’izay 30 taona izay. Miparitaka amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy ireo tanora amerikanina ireo ka samy manana ny andraikiny avy amin’ny fampandrosoana eny ifotony, araka ny fanazavan nentin’ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire.
Betsaka amin’ireo efa niverina any Etazonia no mbola mifandray amin’ny fianakaviana nipetrahany taty. Ny traikefa azony teto no namolavola azy ho lasa mpitarika amin’ny sehatry ny diplomasia, fampandrosoana ary ny fiarahamonim-pirenena any Washington DC.
Miara-miasa amin’ny fiarahamonina eny ifotony, mamaly izay tena laharam-pahamehana eny an-toerana no tena atao. Mizara traikefa sy mianatra mifandray sy mifanakalo amin’ny fiarahamonina. Mifototra amin’ny fifanajana sy fiaraha-miasa no paikady enti-miantsehatra. Miainga amin’ny zava-misy eny ifotony ihany koa ny asa atao.
Miaina miaraka amin’ny fiarahamonina samihafa manerana an’i Madagasikara ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Mianatra ny teny malagasy ary mandray anjara amin’ny kolontsaina sy ny fombam-piarahamonina ao an-toerana.
Miara-miasa amin’ny mpamboly izy ireo ary manatsara ny fanjarian-tsakafo. Miara-miasa amin’ny tobim-pahasalamana ihany koa amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny ankizy sy ny tanora ary ny reny sy ny zaza. Mampianatra teny anglisy any an-tsekoly. Manoro ny fampandraisana anjara ny mpianatra rehetra.
Nizaka ny vokatry ny covid19 ny Peace Corps rehetra. Nampodiana avokoa ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny taona 2020 rehefa nivaivay ny aretina teto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa dia niverina tsikelikely izy ireo. Miisa 54 ireo tanora amerikanina ankehitriny no efa am-perinasa indray.

Tatiana A

Partager sur: