Filohan’ny International Liberal : “Aoka mba ho ao an-damosin’ny filoha isika vahoaka”

Anisan’ireo delegasiona hanatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, anio, etsy Mahamasina ny avy amin’ny International Liberal, tarihin’ny filohany, i Hakima El Haité.

Notsiahiviny fa ara-pomba demokratika iny fifidianana filoham-pirenena teto amintsika iny. “Mendrika hanan-jo hiaina am-pilaminana sy ho amin’ny fampandrosoana amin’izay ny vahoaka malagasy. Miantso ny rehetra izahay mba ho ao an-damosin’ny filoha voafidy ho fampandrosoana an’i Ma­dagasikara”, hoy izy. Nan­teriny fa mifandraika indrindra tamin’ny asa nataon’ny Inter­national Liberal amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo izao fanatrehan’ny solontenan’izy ireo ny fianianan’ny filoha Andry Rajoelina izao.
Nambarany koa fa samy nahita avokoa ireo mpanara-maso ny fifidianana rehetra avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fangaraharan’izany. “Nadio ary tsy nisehoana hosoka iny fifidianana iny. Zava-dehibe ny nahitana mpirotsaka hofidina miisa 13. Endriky ny fipetrahan’ny de­mokrasia izany”, hoy izy.

Fanakianana nataon’ireo kandidà sasany

Nohitsiny fa tokony ho natao nialoha ny zotram-pifidianana ny fanakianana na­taon’ireo kandidà sasantsasany. Tsy efa aty aoriana na efa eny an-tenantenany vao nanao izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa miara-dia amin’ny filohan’ny Interna­tional Liberal sady ao anatin’ny delegasionina, ireo depiote miisa fito sy ny minisitry ny Fiarovana Senegaley, i Youm El Hadji Omar

Synèse R.

Partager sur: