Nahavita ny andraikiny teto Madagasikara: nanohana ny BNGRC ny mpitantana ny PAM

Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny lanonana fisaorana sy fanaovam-beloma ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny Fanda­haranasan’ny Firenena mi­kambana, momba ny sakafo (PAM) eto Madagasikara, Pasqualina Di Sirio, izay niasa teto an-toerana nandritra ny roa taona. Naneho ny fankasitrahany ny fanohanan’ny PAM ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza indrindra ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny ankapobeny, hoy ny tale jeneraliny, jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Nandray anjara mavitrika sy nanohana ireo tetikasa maro napetraka hirosoana amin’ny fahatratrarana ny tanjon’ny paikadim-pirenena momba ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza ny tenany ary nahitana vokatra mafonja. Nanova fomba fiasa izy hanakaiky hatrany ny filan’ny vahoaka malagasy.
Ankoatra ny fampitaovana maro azon’ny BNGRC sy ny mpiantsehatra maro, nisy koa ny fanohanana ara-bola ny fanokafana foibe nasionaly misahana ny fandrindrana ny hamehana eto Madagasikara miaraka amin’ny fananganana ivontoeram-pitantana ny loza eny amin’ny faritra (Ambo­vombe, Toliara ary Mana­kara).
Notoloran’ny tale Je­neralin’ny BNGRC fanomezana izy hanamafisana ny fankasitrahana avy amin’ireo mpiara-miasa rehetra.

Vonjy

Partager sur: