Miroso amin’ny fanavaozana goavana eo amin’ny sehatry ny fampianarana i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Nisy atrikasa fampahafantarana ireo fandaharam-pianarana sy lasi-panofanana vaovao nokarakarain’ny Direction de l’enseignement technique et de la formation Initiale (DETFI), nandritra ny roa andro, teny Antaninarenina, ny herinandro lasa teo.
Mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana eo amin’ny taranja matematika sy fizika- simia, ahafahan’ireo mpiofana manomana ny fianarana eny amin’ny oniversite ny atrikasa. Eo koa ny fampahafantarana ny fandaharam-pianarana sy lasi-panofanana vaovao ho an’ireo seha-piofanana miankina sy tsy miankina.
Nandritra ny atrikasa, natao ny fanaraha-maso ny fampiharana ny programa vaovao, nisy ny fanangonana ireo olana sy ny vahaolana avy amin’ny orinasa momba ny programa vaovao ary farany ny fampahafantarana eo anivon’ny orinasa ny fampiharana izany sy ny fanokafana sehatra vaovao na asa vaovao mifandraika amin’izany.
Vonjy




