Mois : décembre 2023

FANTINA sy FINTINA

Tsy ho avy eny Mahamasina na nahazo fanasana aza ny depiote Tim, amin’ny fiainianan’ny filohan’ny Repoblika. “Efa tsy nankato ny fifidianana natao amboletra izahay”, hoy izy ireo. Ny HVM kosa tsy mbola nahazo fanasana, saingy efa nisafidy ny tsy ho avy. Hanomboka anio, ny fialantsasatry ny fitsarana ary hiverina hiasa […]

Miandry baolina maty

  Hiavaka raha samy hiavaka ny fotoam-pianianan’ny Filoha vao lanim-bahoaka, Rajoelina Andry, rahampitso. Efa manao ranolava ny fahatongavan’ny vahiny, hanome voninahitra ny fotoana eny Mahamasina. Nanomboka omaly, hitohy mandra-pisokatry ny lanonana amin’ny 10 ora maraina ny fahatongavana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. An-jatony, mba tsy hilazana ho aman’arivony ny vazaha, sinoa, […]

Filoha Rajoelina Andry : « Misokatra ny fiaraha-miasa ! »

Manam-pahefana sy filoham-panjakana maro samihafa no ho avy eto Madagasikara hanotrona ny fianianana sy fametrahana ny filoham-pirenena malagasy. “Noho ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny anton’izany”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Nisy ny fihaonana teo amin’ny jeneraly Rava­lomanana Richard, filoham-panjakana mpisolo toerana sy Rajoelina Andry, filoham-pirenena voafidim-ba­hoaka, omaly, […]

Antsohihy : Kaporaly maty voakapa famaky ny lohany

Maty nokapain’ny dahalo ny famaky teo amin’ny lohany ny miaramila kaporaly iray tao Anjiamangirana, distrikan’ Antsohihy, ny alatsinainy alina teo. Nandritra ny fanarahan-dia no nitrangan’ny fifandonana. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ity miaramila kaporaly ity. Nisy fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ireo miaramila mpampandry tany satria manao fampandrian-tany amin’iny […]

Anosipatrana: maty voatifitra ilay jiolahy saika hamono polisy

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosipatrana, ny talata 12 desambra teo. Inspektera iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny jiolahy. Lavon’ny mpitandro fila­minana ny jiolahy iray tamin’ireo efa-dahy nikasa hamono inspektera tetsy Anosipatrana, ny fiatombo­han’ny herinandro teo. No­fofoin’ireo olon-dratsy ireo ny ain’io polisy io. Voa mafy teo amin’ny lohany ilay inspektera ka […]