Nitondra fanazavana mahakasika ny ezaka atao hiadiana amin’ny herisetra ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny vehivavy, ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Rabetaliana Rova Harimboahangy sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsy azo hamarinina ny herisetra nianjady amin’ny ankizy niparitaka tamina tambajotra sosialy ireny. Toraka izany ny mihatra amin’ny olona manana fahasembanana… Mijoro amin’izany ny […]
Mois : décembre 2023
Rabemananjara Kanto: feno tebiteby ny 42%-n’ny reny mitondra vohoka
Mitondra fanazavana mahakasika ny mahasarobidy ny fahasalamana ara-tsain’ny reny Rabemananjara Kanto, izay manomana Ph.D momba ny “Psychologie clinique” ao amin’ny George Washington University any Washington DC, ary misitraka ny vatsim-pianarana Fulbright. Ho an’ireo vehivavy bevohoka sy ireo mitaiza kely dia zava-dehibe ny fanohanana ara-tsaina azy ireo. Araka ny fikarohana dia […]
Oniversite sy IST: ny 11 desambra ka hatramin’ny 15 janoary 2024 ny fidirana
Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny fivoriana faratampony ho an’ny filohan’ny oniversite, izay natao teny Fiadanana, fihaonana nampitain-davitra izay nandinihina sy nanapahana ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nitarika ny fihaonana ny profesora Assoumacou Elia Béatrice, minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niatrika ny fivoriambe ireo […]
INPF Ivato: mpianatra 200 nahavita fianarana nisalotra ny andiany Amboara
Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny Ivato, omaly, ireo mpianatra 200 mahery nahavita fianarana ka nahazo diplaoma tao amin’ny INPF. Avy amin’ny sampam-piofanana 7 samihafa ireo tanora 200 mahery nahazo diplaoma tao amin’ny INPF. Fikojakojana fiara, fikirakirana ny informatika amina orinasa lehibe, ny fitantanam-bola, ny fikojakojana ny milina vaventy any amina […]
Loza sy tandindon-doza :tanora 27 niofana ho mpanentana
Niofana nandritra ny hateloana tany Taolagnaro ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo, miisa 27 izay hisahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (GRC) manerana ny Nosy, ny herinandro lasa teo. Hamafisina ny asa ho an’ny faritra hisehoan’ny loza matetika ka nametraka sahanasa fanentanana mialoha sy aorian’ny fiavian’ny loza ireo tanora niaraka […]




