Nigadona ao Mahajanga, omaly, ny fanafody hanampy ny efa any an-toerana hiatrehana ilay valanaretina mahazo ny maso any an-toerana. Mahasahana marary miisa 2 500 izany miaraka amin’ny kojakoja fototra ilaina amin’ny fandraisana an-tanana ny marary.
Menamena ny maso, malailay, mangidihidy, misy taimaso. Toy izany ny fiandohan’ny aretina. Mety hahazo ny sokajin’olona rehetra, tsy mifidy na olo-dehibe na ankizy. “Aretina tena mora mifindra ilay miseho any Mahajanga”, hoy ny lehiben’ny fitsaboana maso, Rakotondrazafy Hajamalala .
Mila manasa tanana amin’ ny rano sy savony matetika. Tsy tokony hikasikasika ny faritry ny maso sy ny tarehy mihitsy mba ho fisorohana. Fanatonana toeram-pitsaboana no vahaolana. Ampy ny fanafody ka tsy tokony hisalasala ny marary. Avy hatrany dia manatona tobim-pahasalamana raha mahita trangan’aretina.
Maimaimpoana ny fitsaboana sy ny fanafody ao amin’ny hopitalin’Androva sy ny hopitaly manara-penitra.
Napetraka ireo fitaovana eny amin’ny tobin-tseranana hahafahana manasa tanana. Toraka izany eny amin’ny sekoly sy toerana be olona mifamoivoy. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny Fitaterana ary ny governoran’i Mahajanga sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ezaka, hoy Razafimahatratra Rado, DGFS.
Tatiana A




