Novelomina indray ny tambajotra miaro ny zon’ny zaza ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny taona 2023 lasa teo. Ny prefet no mpitarika ny tambajotra ary ny fitaleavan’ny Mponina, fampivoarana ny vehivavy ary ny fiahiana ara-tsosialy no mpandrindra.
Mpikambana ao ireo sampandraharaham-panjakana samihafa, ireo ampanjaka, ny Ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo (ORN), ny firaisamonina sivily PFNOSCM, ary ny avy amin’ny finoana. Tanjona ny hirosoana misimisy kokoa amin’ny fiarovana ny zaza sy hananana angom-baovao momba ny zon’ny ankizy.
Fandaharam-potoana nandritra ny fivoriana voalohany ny fampahafantarana ny tambajotra, ny asa miandry ireo mpikambana rehetra ary fizarana ny zon’ny ankizy. Zo mifandraika amin’ny zo ho velona, zo hivelatra, zo handray anjara ary zo harovana. Voalaza fa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ireo zaza niharan’ny fanolanana ary mpiara-miombon’antoka ny Unicef, amin’ny alalan’ny Central Emergency Response Fund (CERF). Nivoitra koa ny famoahana ny drafitrasa hoenti-miatrika ny taona 2024 ka hisy fidinana ifotony hametrahana ny rafitra eo anivon’ny distrika dimy mandrafitra ny faritra Atsimo Atsinanana. Hisy koa ny fanentanana amin’ny onjam-peo sy eny anivon’ny sekoly rehetra. Efa nidina ifotony tamin’ny kaominina roa (Maheriraty sy Ankarana) ato amin’ny distrikan’i Farafangana, tamin’ity herinandro ity, ny tambajotra nametraka ny rafitra eny ifotony.
Manana akany fibeazana ny varira
Mampiavaka ny faritra Atsimo Atsinanana ny fisian’ny akany mitaiza ireo zaza manana toe-batana varira. Nomanina hitaizana ireo manana fahasembanana ara-pahitana sy ara-pahenoana ity akany ity, nefa noho ny antony maro samihafa dia lasa hibeazan’ireo varira ka mitombo ny filàna amin’ny sakafo sy sy fitafy. Olana faharoa eny amin’ny fiarahamonina koa ireo zazavavy efa renim-pianakaviana sahady ka zary vesatry ny fianakaviany. Tsy mora noho izany ny asa miandry ity tambajotra ity satria samy hiadidiny avokoa ireo sokajin’olona ireo.
`
Vonjy




