Mois : janvier 2024

“Raharaha tany eny Anosiavaratra”: helohin’ny minisitera ilay tale voarohirohy

Manoloana ilay raharaha tany eny Anosiavaratra, na­moaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fa­najariana ny tany sy ny fananantany (MATSF), omaly. “Manameloka tanteraka ny fivadiham-pitokisana nataon’ilay tale voarohirohy io ny minisitera sy ny mpiara-miasa rehetra”, hoy ny fanambarana. Napetraka ho mpiara-miasa hitady ny hahasoa ny vahoaka nefa vao mainka nambotry vahoaka. […]

Fanamafisan’ny eveka : “Tsy mitsodrano fahotana velively ny Eglizy”

Nanamafy ny nambaran’ny papa Fransoa ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), omaly. Lohatenin’ny hafatra : “Mankahala ny fahotana ny Andriamanintsika fa tia ny mpanota ary maniry ny hibebahany”. Notsiahivin’ireo eveka teo am-piandohana ny voalazan’ny soratra Masina : “Izaho koa tsy manameloka anao. Mandehana ka aza manota intsony” (Joany 8,11). Nampitain’izy […]

Matsilo: “Sarotra ny hiatrehan’ny fitondrana ny fahasahiranam-bahoaka”

“Ny fahitako azy, sarotra dia sarotra ny hahazoan’ny fitondram-panjakana hiatrika ny fahasahiranam-bahoaka: ny jiro tapaka, ny rano tsy misy… Ain-dehibe iankinan’ny fiainana avokoa izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Matsilo, Randrianai­voarivony Jeannot. Tsy afa-misaraka amin’ny fanatsarana ny fihariana sy ny toekaren’ny firenena ny fiainana sosialy. Ny dikan’izany: tsy maintsy […]

Namearison Robert : “Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra ny fitondrana”

Hanao ahoana ity taona ity? Indrindra ny amin’izay hisian’ny fitoniana politika… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Tokony hisokatra amin’ny fakan-kevitra sy fivoriana lehibe hahitana ny ankolafin-kery rehetra ny fitondrana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tokony hatao hisian’ny fitoniana politika? I Namearison Robert […]