Mois : mars 2024

Noravain’ny vahiny ny kolontsaina malagasy : mety hifanandrina ny lehilahy sy ny vehivavy

Tahaka ny nahazatra tao anatin’ny taona maro, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy i Madagasikara. Mbola manan-danja eny amin’ny fiarahamonina malagasy sy any amina sehatra maro samihafa anefa ilay nambaran’ny vahiny manao hoe : « tsy manaja vehivavy ny fiarahamonina malagasy ». Manao randra-mitarika hatramin’izao io ka namboly toe-tsaina « hafahafa » eo amin’ny vehivavy sasany. […]

Tontolon’ny saripika : vonona hizara traikefa ny UPPM

« Union des photographes professionnels de Madagas­car » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana […]

Fampirantiana “Planète femmes”: misongadina ireo asa tanan’ny vehivavy

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Al­liance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamam­ba, nanomboka omaly hatramin’ny […]

Lalaina zanadrano : Mpanavotra olona maty an-drano

Mahagaga sy sarotra inoana saingy tena misy ny olona nomem-pahasoavana hafahafa amin’ny fiainana. Anisan’i reny i Lalaina zanadrano, in-46 nikaroka olona maty an-drano. Tovolahy iray, zanak’ olona sahirana, monina sy mipetraka ao Sala­zamay Atsimo, i Lalaina. Noraisin’ny kaominina ho mpiasa eo anivon’ny vondrona mpamonjy voina noho ny fahaizany manokana mahakasika […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony ho voatendry amin’ity volana ity ireo sekreteram-panjakana, araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny Prezidansa. Efa nisy ny sasany amin’ireo kandidà 800 latsaka, nataon’ny filoham-pirenena tombana, ankoatra ireo mbola mandalo sivana, eo anatrehan’ilay kabinetra manokana misahana izany. Hanala baraka eo amin’ny iraisam-pirenena ny famosirana ireo mpanolana, araka ny nambaran’ny Dr Rafaralahimalala […]