Nifantoka tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny famangiana sy ny asa sosialy nataon’ny minisiteran’ny Mponina, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra tolo-tanana ho an’ny zokiolona, ny olona manana fahasembanana, fikambanam-behivavy, olona tena marefo ara-pivelomana, ary ny ankizy kamboty ny iraka notarihin’ny minisitra. Milina fanjairana no natolotra ho an’ny Centre de promotion socio-économique […]
Mois : mars 2024
Fetin’ny Paka : ahina ny fiforonana rivodoza
Mampanahy ny mety ho fiforonana rivodoza ao amin’ny ranomasimbe Indianina amin’ny faramparan’ny herinandro, hankalazana ny fetin’ny Paka, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hiverin-dalana hizotra hianatsimo atsinanana ilay tangoron-drahona mitoetra ao an-dranomasina manomboka ny alarobia na ny alakamisy ka hiha tomombana kokoa ny tontolo hivoarany. Hitombo, araka izany, […]
Miakatra ny rano ao Taolagnaro : 400 mahery ireo traboina, amin’ny toeram-pandraisana telo
Nijojo tao anatin’ny teo andro ny orana tany Taolagnaro ka nampiakatra ny rano tao an-tanàna. Voatery nafindra toerana ny mponina sasany ary efa nandray andraikitra ireo solontenam-panjakana any an-toerana. “Vokatry ny rotsakorana be tany amin’ny distrikan’i Taolagnaro nandritra ny telo andro, niakatra ny rano ka maro ny tanàna dibo-drano”, hoy […]
Filana andavanandro: niakatra ny vidin’ny entona fandrehitra
Nahitam-piakarana efa herinandro vitsy izay ny vidin’ny entona fandrehitra eto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an’ny marika Vitogaz, niakatra ho 27 400Ar ny tavoahangy 4 kilao, raha toa ka 26 900Ar izany teo aloha. Lasa 62 800Ar kosa ny tavoahangy milanja 9 kilao, raha toa ka 61 800Ar izany teo aloha. Ankehitriny, […]
Fizahantany: Hanao sidina ao Nosy-Be indroa ny Airlink
Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fampitomboana ny sidina avy any ivelany tonga eto Madagasikara. Ny alahady teo, nigadona tao Nosy-Be, nitondra mpizahatany 80 isa niainga tao Johannesburg, ny kaompania ana habakabaka Airlink. Ny taona 2023 no nampahafantatra ny zotra vaovao hataony ny kaompania. Noho izany, hanao […]




