Mois : mars 2024

Baolina kitra : resin’i Rwanda 2 no ho 0 i Madagasikara

Nifarana omaly, teny Mahamasina, ny lalao firahalahiana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) teto an-toerana. Tsy nahita hirika nanoloana ny ekipa nasionaly rwandais ny Barea. Vokatra ratsy no nentin’ny Barea de Madagas­car namaranana ny lalao ara-pirahalahiana izay tafiditra amin’ny andron’ny “Fenêtre Fifa”. Resin’i Rwan­da tamin’ny isa 2 no ho 0 i Madaga­sikara, […]

Fanatsarana ny fitantanana: nikaondoha ireo sampam-pitsarana ara-bola

Notanterahina omaly, tany Ampefy, ny fikaonandohan’ireo lehiben’ny sampam-pitsarana ara-bola sy ny filohan’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Eo koa ireo tonia mpampanoa ambony eo anivon’ny fitsarana ny fitantanana ny volam-panjakana. Lohahevitra nanompanana ny fikaonandoha ny haitarika sy ny fitantanana ho an’ny fanovana eo amin’ny rantsam-pitsarana ara-bola. Niatrika izany ny minisitry […]

Analanjirofo: naiditra am-ponja ny lehiben’ny faritra teo aloha

Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Analanjirofo teo aloha, Ramarson Jacques, taorian’ny niakarany teny anivon’ny PAC, ny alakamisy teo. Ahina ho nanodikodina volam-panjakana izy. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny lehiben’ny faritra Ana­lan­jirofo teo aloha,  Ramarson Jacques. Efa impolo nantsoina teo anivon’ny Bianco teto Toamasina ny tenany hatramin’ny nialany […]

INDRAY MIJERY

Hotokanana, anio, ny fotodrafitrasa vaovao ao amin’ny EPP Ivato, izay fanitarana sy fanatsarana. Anisan’izany ny efitranon-tsekoly iray, trano famakiam-boky ary fandokoana ireo efitra manontolo. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fanatanterahana ny asa. Hanatsarana ny tontolon’ny fianaran’ireo kilonga no anton’ny fanavaozana. Herinandro Masina amin’ity herinandro ity. Maro ireo tokantrano mamonjy fanompoam-pivavahana amin’ny […]