Mois : avril 2024

Hanome lanja ny fototra: Tsy vitan’ny hafanam-po ny fiverenana an-doharano

Manomboka taitra amin’ny torimasony ny Mala­gasy. Liana amin’ireo fomba amam-panao navelan’ny teo aloha. Tsy vitsy ireo nanapa-kevitra ny hanaraka izany avy hatrany… Roso ny dia !… Manentana, manazava, sns. Mirehitra indray ilay fitiavana ny an’ny tena! Malagasy vanona, Malagasy vonona! Ireo avy hatrany no mby ao an-tsain’ny Malagasy raha vao voakitika […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Antsirabe, ny 1 hatramin’ny 5 mey ho avy izao, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Fiba 3×3 “Shoot out Bira”, taranja basikety. Hetsika karakarain’ny ligin’i Vakinankaratra sy ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB) ity hatao ity. Hotontosaina any amin’ny nosy rahavavy La Reu­nion, ny 27 hatramin’ny 28 avrily, ny “Festival […]

Diamanga vaovao : nizara ny fahaizany Rakotonindriana Parfait

Tontosa ny alarobia lasa teo, teny amin’ny Axian Uni­versity Andraharo, ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny diamanga, taranja ara-panatanjahantena nentim-paharazana malagasy. Nitarika izany teny an-toerana ny filohan’ny Diamanga vaovao, Rakotonin­driana Parfait Andriantsiory. Nizara ny fahaizany mahakasika izany tamin’ireo mpianatry ny Oniversite Ankatso mi­isa 10 mianadahy ny tenany. Araka ny fanadihadiana natao, mandrato […]

« Ligue des Champions» : fantatra ny ekipa hanao ny manasa-dalana

Nifarana ny alarobia lasa teo ny lalao ampahefa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ny Paris Saint Ger­main (PSG) Frantsa, klioba roa avy atsy Allemagne, Dort­mund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Raha hiverenana ny lalao […]

Tsipy kanetibe – Amboaran’i Madagasikara : «Tsy mitombina ny fitorian’ny Abmi», hoy ny FSBM

Namaly ny fangatahan’ny klioba Amical bouliste Mandrosoa Ivato (Abmi), ny Federasiona sport boule malagasy (FSBM). Taorian’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tsipy kanetibe, malagasy sy ny iraisam-pirenena, tsy mitombina ny fitorian’izy ireo. Tsy nahazo rariny ny fangatahana hanintsanana ny ekipan’ny Union bouliste Manjaka (UBM), tompon’ny amboaran’i Madagasi­kara 2024, taranja tsipy […]