Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny ala ny fampiasana ny arina fandrehitra sy ny kitay. Miha mitombo, araka izany, ny olon-tsotra sy fikambanana mamokatra fatana ekolojika, amin’ izao. Anisan’ izany ny fatana vita amin’ ny menaka vidange. Mbola manan-danja eo amin’ny Malagasy ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay hatramin’izao. […]
Mois : mai 2024
FANTINA sy FINTINA
“Hevitry ny maro sy ara-dalàna ary ara-drariny no tenenina eto amin’ity lapa ity”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny fanombohana ny fotoam-pivoriana tetsy Anosikely, omaly. Nanteriny fa tsy hevitry ny tena manokana sy ny olona vitsivitsy mitovy hevitra amin’ny tena no aseho eny. Tapaky ny fivoriamben’ireo depiote […]
Prefektiora – propagandy : voarara ny Kianjan’ny 13 mey
“Tsy azo anaovana propagandy ny etsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely na ny Kianjan’ny 13 mey ary koa ireo lalana manodidina rehetra eo”, hoy ny eo anivon’ny Prefektiora. Voarara koa ny fanaovana hetsika manakaiky ny sekoly sy ny hopitaly na CSB na koa toeram-pitsaboana. Tahaka izany koa ny eny anivon’ny tsenam-bahoaka. […]
Akaiky vilany feno arina
Mahoraka ary mbola arahin’ny mpanara-baovao akaiky ny mahakasika ny fanondranana antsokosoko ireo varika sy sokatra tany Thaïlande. Nanampy trotraka ny fahatrarana ireo mpanao trafika teny Ivato, afakomaly alina. Nihazakazaka izaitsizy ny fanjakana malagasy nandray andraikitra. Efa nisy ny olona voalaza fa voasambotra. Tsara ny ezaka saingy dia dokotera aorian’ny […]
“Annuel Investment Meeting”: misarika ireo mpamatsy vola ny filoha Rajoelina Andry
Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisana sy fitadiavana fiaraha-miasa vaovao, eo amin’ny firenena malagasy sy ny avy any ivelany. Maro ny fihaonana amina tomponandraiki-panjakana, ataon’ny filoham-pirenena Malagasy, amin’izao fihaonana iraisam-pirenena izao. Nisokatra omaly, ao Abu Dhabi, ny “Annuel Investment Meeting” (AIM) andiany faha-13. Vahiny manokan’ny filohan’ny Emirats Arabes-Unis, Mohamed bin […]




