Manentana sy mampahafantatra ny laharana maitso 930 ny ekipan’ny BNGRC sy ny PAM, ny herinandro lasa teo. Nanombohana izany ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hanapariahana ity laharana ity, ahafantaran’ny olona ny fisiany sy ny fomba fampiasana azy ary indrindra ny hanentanana ny vahoaka hampiasa izany. Laharana […]
Mois : mai 2024
Ao anatin’ny hateloana: hanjaka ny volon’andro ririnina
Ny tsiokan’ny alizay no hamaritra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny. Ao anatin’ny volonandro ririnina tanteraka isika ato anatin’ny telo andro manaraka, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Hitovy ny maripana eto Antananarivo sy Antsirabe ary Fianarantsoa, ho an’ny anio, 14°C ny ambany indrindra ary 24°C […]
Fananahana ara-pahasalama : Rasazy iray misahana olona 16 000, mila ampitomboina ny isa
Tsy hisy vehivavy maty eo am-piterahana na mandritra ny fitondrana vohoka raha ampitomboina ny isan’ny mpampivelona, ahafahan’ny vehivavy rehetra miaina tsara ny fananahany ara-pahasalamana (isan’ny zaza ateraka, tsy firosoana amin’ny firaisana aloha loatra…) Nandray ireo vehivavy mitondra vohoka mila fitarafana, échographie, ny clinique mobile napetraka tany amin’ny distrikan’i Farafangana nandritra […]
TARATRY ny KANTO
Nampivondronana ireo mpandihy rehetra ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, tetsy Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanodidina ny 250 isa ny mpandihy nanafana izany. Nahazo vahana kokoa ny dihy malagasy, hampiroboroboina ny kolontsaina sy ny soatoavina. Nosokafana tamin’ny seho nanomezana vahany ny dihy malagasy tao amin’ny kianjan’ny […]
Urban Vibes, andiany faharoa : nampiala voly ny tanora teto an-dRenivohitra
Voasarika sy liana tamin’ ny seho Urban vibes, andiany faharoa, tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, omaly, ny ankamaroan’ny tanora teto an-drenivohitra. “Tratra ny tanjona, tonga maro ny tanora nanatrika sy namaly ny antso”, hoy Rasamison Henintsoa, mpikarakara sady mpamorona ny Urban Vibes. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hankafizan’ny maro ny […]




