Nanamarina ny vaovao mahakasika ireo sokatra sy varika tratra tany Thaïlande ny fanjakana malagasy. Hiara-kiasa ny roa tonta handravana ity tambajotra mpanao trafika ity. Mitohy ny fanadihadiana lalina mahakasika ireo sokatra miisa 1 076 sy varika 48 avy aty Madagasikara tratra tany Thailande. Tsiahivina fa ny 1 mey teo no […]
Mois : mai 2024
Andron’ny fanasan-tanana : nentanin’ny Sipromad ny mpianatra
Nankalazaina ny 5 mey teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fanasan-tanana. Nandray anjara tamin’izany ny vondrona orinasa Sipromad, ka nentanina ny mpianatra, miisa 500, ao amin’ny EPP Ankorondrano. Tanjona ny hahalalan’ny ankizy fa zava-dehibe ny fanasan-tanana, mba hitandroana ny fahadiovana sy tsy hiparitahan’ny valanaretina. Nanolotra savony marobe, an-jatony, tanaty baoritra […]
Acmil Antsirabe : hatsaraina ny fampiofanana
Nifarana ny zoma 3 mey teo, ny atrikasa niompana tamin’ny fanatsarana ny politikam-piofanana arahin’ireo miaramila eo anivon’ny Tafika Malagasy. Tanjona tamin’ny fanatanterahana io atrikasa io “Tafika moderina”, afaka hanatratra ny fanamby sy hanakatra ny lenta izay tsy mena-mitaha amin’ny firenen-kafa manomboka izao ka hatramin’ny taona 2030. Lamina maty paika sy […]
Talata Volonondry : tafapetraka ny tobin’ny zandary
Manakaiky ny mponina ary hisorohana ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny tobin’ny zandary Talata Volonondry. Notokanana ny zoma 3 mey teo izany. Navadika ho tobin’ny zandary ankehitriny ny zana-tobim-paritra nisy teo aloha, ho an’ny ao Talata Volonondry. Manoloana ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, niara-nisalahy nanao ezaka manokana ny kaominina ao an-toerana […]
INDRAY MIJERY
Nisy atrikasa ho fanamafisana ny fahaiza-manao, teto Antananarivo, ho an’ny minisitera isan-tsokajiny mahakasika ny rafitra vaovao maneran-tany momba ny zavamananaina. Anisany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nohazavaina ny zava-misy amin’ny fampiharana ny « Fifanarahan’ny Firenena mikambana momba ny zavamananaina eto Madagasikara, indrindra ny paikady nasionaly momba izany. Noravan’ny rivodoza Freddy tamin’ny taona […]




