Mois : mai 2024

Afa-baraka ilay firenena

  Nahoraka maneran-tany ny mahakasika ireo biby efa ho lany tamingana eto Madagasikara kanefa nisy nanondrana, tonga any Thailand, omaly. Tsy mba hoe biby iray na roa fa dia sokatra aman’arivony sy gidro efa amam-polony maro. Ahoana no hahatanteraka ny fanondranana izany kanefa tsy misy mahita na voasakana eto amintsika? […]

Holafitry ny mpanao gazety : “Mbola olana ny fahazoana loharanom-baovao”

Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Rasoloarison, fa betsaka ny fitarainan’ny mpanao gazety sy ny tatitra voaray momba ny fahazoana vaovao. Nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, manoloana izany. “Olana ny fikatonan’ ireo loharanom-baovao ka entanina ny mpitondra mba hanome vaovao fa tokony hitondra fiovana […]

TSELATRA

Mpandeha miisa sivy naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana tampoka teo am-pidirana ny tanànan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 5 ora. Nitondra mpivarotra saika hihazo an’i Vohipeno io taksiborosy io no tra-doza tampoka. Tapa-tanana ny mpandeha sasany. Tsy nisy aina nafoy. Nentina namonjy hopitaly avy hatrany ireo naratra. Mpanendaka avy nanao ny asa […]

fitokonana teny Ankatso : zandary voatora-bato teo amin’ny teta-masony

Naratra voan’ny tora-bato teo amin’ny teta-masony, ny zandary iray nandritra ny fitokonan’ny mpianatry ny Oni­versite an’Antananarivo, teny Ankatso, omaly. Nidina an-dalam-be, nitsoaka kiririoka nanohy ny fihetsiketsehany ireo mpianatra. Raikitra ny tora-bato nataon’ireo mpianatra nanoloana ny mpitandro filaminana. Niezaka nifehy ny fandriampahalemana teny amin’ny manodidina ny zandarimaria, ny maraina. Voa­to­raky ny […]

Hetsika Tselatra: tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany

Noraisim-potsiny! Taorian’ny didy fampisamborana navoakan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mam­pikony, tratran’ny miaramila i Tongany sy i Takoany, dahalo roa lahy samy raindahiny amin’ny fanafihana. Miaramila ao amin’ny sakelika voalohany, anatin’ny vondrona mpam­pandry tany iraisam-piadiana faharoa, manao ny hetsika « Tselatra », tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina ambanivohitr’i Malakialina, fari-piarovana sy filaminana Ankarafantsika […]