Mois : mai 2024

Hetsika ara-javakanto marolafy: hanampiana ny foko Mikea ny vola azo

« Mikea – Les derniers chas­seurs-ceuilleurs de Madagas­car, une culture en voie de disparition ». Io no lohatenin’ ilay boky navoakan’i Thierry Cron. Raha hadika tsotsotra, « Mikea – Ireo mpihaza sy mpioty farany ao Madagasi­kara, kolontsaina andalam-pahaverezana ». Boky maneho ny momba ireo Mikea, izay foko iray anisan’ny miavaka eto Madagasikara, satria mbola […]

Anthonio Rico : hivoaka ny boky “Folo folahana an-kabary”

Eo am-panomanana ny hamoahana boky “Folo folahana an-kabary”, ankehitriny, i Anthonio Rico. Mpanoratra sady mpikabary manana traikefa eo amin’ny fampitam-pahalalana. Boky misy fizarana dimy, ahitana karazan-kabary samihafa. Anisan’izany ny fandrika an-kabary, kabary ankaratsiana, ny ankafaliana, ohabolana… « Boky tsy mena-mitaha amin’ireo efa nivoaka hatramin’ izay izy ity, satria, mitana ireo andraikitra […]

« AF Mobile » : tanjona ny hisarihana ny mpianatra ho liana amin’ny haikanto

Nandritra ny hetsiky ny Alliance française, tao anatin’ny “AF Mobile” no nanomezana tosika ireo ankizy sy tanora, mpianatra, misehatra eo amin’ny tontolon’ny haikanto. Eo koa anefa no nisarihana ireo mbola variana amin’ny zavatra hafa. Tontosa omaly, teny anivon’ireo sekolim-panjakana sasany, teto amin’ ny fari-piadidiam-pampiana­rana Antananarivo Renivo­hitra, ny fidinana ifotony nataon’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly. “Aoka samy handray andraikitra tandrify azy sy hiara-kientana ary hifanome tanana ho fanasoavana ny vahoaka, indrindra ireo marefo amin’ny fanapariahana ny hazavana ho anao”, hoy izy. Nanteriny fa laharam-pahamehana izany ary mifandraika amin’ny fiainam-bahoaka. Handray anjara amin’ny fivoriana isan-taona […]

vovonana firaisankina : mbola mitsipaka ny fifidianana teo aloha

Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Eta­zonia, i Claire Annette Pieran­gelo, sy ireo mpitarika ny Fi­rai­sankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitene­nana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. […]