Nanatontosa soniam-piarahamiasa ny GEPIMM sy ny AMFM, omaly. Tanjona ny hanampiana sy hanofanana mpanao gazety ho matihanina eto Madagasikara. Nanao sonia fiaraha-miasa ny Groupement des éditeurs de presse d’information multimédia de Madagascar (GEPIMM) sy ny fikambanana Actions médias francophones Madagascar (AMFM), omaly, tetsy Antanimena. Tanjona ny hananganana toerana hanofana mpanao […]
Mois : mai 2024
INDRAY MIJERY
Mila mpampivelona 900 000 maneran-tany mba hahafahana manavotra aina 4 tapitrisa mahery satria maro ny asa sahaniny, manomboka eo amin’ny fandraisana an-tanana ny fisafoana, ny fampiterahana ary ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka. Afaka manoro hevitra amin’ny fomba fandrindram-piterahana mety amin’ireo mpivady koa izy ireo. Ho fanamafisana […]
Fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra: nahazo fitaovam-pandrefesana ny Meteo Madagasikara
Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra, misy fiaraha-miasa vaovao eo amin’ny Meteo Madagasikara sy ny vondrona Suez-Transitec-DVDH. Nahazo fitaovam-pandrefesana vaovao hanaraha-maso ny fahalotoan’ny rivotra tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandrafetana ny drafitry ny fivezivezena an-tanàn-dehibe maharitra iarahana amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny […]
Lalam-pirenena faharoa (RN2): hanao rodombe hitsabo maimaimpoana ny infirmiera
Hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny infirimiera ny eo anivon’ny Holafitra (Conim), amin’ny herinandro ho avy io. Hitsabo maimaimpoana ireo mponina amin’iny lalana mihazo an’i Toamasina iny izy ireo amin’izany. Nambaran’ny filohan’ny Holafitry ny infirmiera, Andrianarison John na i John Love, fa maherin’ny 4 000 ireo hiara-kiasa amin’izy ireo amin’izao […]
TARATRY ny KANTO
“Urban Vibes” – etsy Mahamasina. Mr Sayda, Gaei, Ceasar, Madmax, Basta Lion, Agrad, Rim-Ka, ary i Skaiz. Ireo ny mpanakanto nosafidiana manokana hanafana ny “World Cola Urban Vibes” andiany faharoa, etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Hanampy azy ireo ny mpikosoka kapila efatra efa manana ny lazany. Tafiditra […]




