Vonona hampihodina ny toekarena hiadiana amin’ny fahantrana ny mponina manohana ny hanokafana ny orinasa Base Toliara. Nanao filaharambe izy ireo nandritra ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantena tany an-toerana. Anisan’ny nampiavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jona teo, tany Toliara I, ny filaharambe nataon’ny olona manohana ny Base […]
Mois : juin 2024
Indray mijery
Ny fitiliana no ahafantaran’ny olona tsirairay ny toe-pahasalamany. Rehefa nahavita fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida ny olona iray dia sady miaro ny tenany, no miaro koa ny fianakaviany. An-tsitrapo ary maimaimpoana ny fitiliana atao. Nampahafantarina ao amin’ny pejy facebook minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny toerana ahazoana manatanteraka izany isaky ny faritra tsirairay. Vita […]
Vangaindrano: zazavavikely varira notapahin-doha
Velon-taraina ny fikambanan’ny olona manana toetena varira eto Madagasikara fa mbola mitohy ny sompatra ataon’ireo mpamono olona amin’izy ireo. Tany vangaindrano, tamin’ity herinandro ity, zazavavikely varira vao 10 taona no novonoin’ny jiolahy tany Bevato Tsahalana, distrika Vangaindrano. Notapahina ny tendany ary nentin’ireo mpamono olona any ny lohany. Tetsy andaniny, naratra […]
Distrika Ambohidratrimo: niara-nientana nankalaza ny fetim-pirenena
Tontosa antsakany sy andavany ny fankalazana ny fetin’ny asaramanitra 2024, teto amin’ny Nosy. Anisan’ny nahavita izany ny tetsy amin’ny disitrika Ambohidratrimo. Niara-nientana sy niara-paly ny rehetra nandritra ny hetsika maro teny an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny tanjona napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Malagasy miara-mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”, io ny […]
Cisco Antananarivo Renivohitra: miisa 24 667 ny mpiadina BEPC amin’ity taona ity
Haharitra hefarana ny fanadinam-panjakana BEPC, izay hosantarina amin’ny alatsinainy ho avy izao. Manome torohevitra amin’ny fomba fiatrehana amim-pilaminana ny fanadinana ny mpampianatra satria efa vita tanteraka ny famerenana ho an’ny taranja rehetra. Hanomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fiatrehana ny fanadinana BEPC manerana ny Nosy. Manamasaka ny toromarika madinidinika […]




