Mois : juillet 2024

Fotodrafitrasa : tafakatra 20 tapitrisa Ar ny fanorenana trano

Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisa maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. “Mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa Ar ny tetibola ho an’ny fanangana trano manana efitra telo sahaza an’olona efatra mianaka. Manana velarana 10-12m2 kosa ny efitra tsirairay. Tsy ao anatin’izay […]

Aleo mailo !

  Mbola ao anatin’ny fanadinana bakalorea isika amin’ izao fotoana izao. Miditra amin’ny andro fahefatra ny mpiadina. Efa nisy ny indroindrokelin’ny mpandrafitra tamin’ny fikarakarana saingy milamina amin’ny ankapobeny ny zava-drehetra. Mitohy ny fanadinana ary efa mandray ny andraikiny amin’ny famahana ny olana izay manandrify izany. Ny tiana hisintonana ny lakolosy […]

Sambo kenyanina Maab Aqua : mitaky fanasaziana henjana ny fiarahamonim-pirenena

Onitra 5,4 miliara Ar no miandry ireo mpanjono tsy ara-dalàna kenyanina sy srilankey tratra tany Nosy Be, miampy fampidirana am-ponja. Manara-maso akaiky ny raharaha ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Tratra nanjono tsy ara-dalàna tany amin’ny fari-dranomasin’i Madagasi­kara any avaratr’i Nosy Be, ny sambo kenyanina Maab Aqua, ny 8 […]

TSELATRA

Moto roa nifandona vokatry ny fandehanana mafy teny Anosizato, omaly tolakandro. Nangalatra ny havanan’ny arabe izay mifanoha-dalana aminy ny mpitondra moto iray. Tsy nisy aina nafoy saingy naratra ireo mpitondra moto. Naiditra eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ilay lehilahy nisandoka ho nisy naka an-keriny tao Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Nandefasany […]

Nijoalajoala ny afo : efa-mianaka indray kila forehitra tao an-trano

Nitrangana haintrano na­moizana ain’olona tao Andra­nomaimbo Antsirabe, afakomaly alina. Trano maromaro indray kila hotohoton’ny afo. Niainga tao amina tokantrano iray mpivarotra zava-pisotro misy alikaola ny afo ka niitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Vokany, namoy ny ainy ny zazakely iray vao teraka herinandro, ankizy 4 sy 8 taona ary renim-pianakaviana […]