“Tsy maintsy asiana ny anto-bola amin’ny fifidianana, satria lasa 35, ohatra, ny kandidà ho ben’ny Tanàna amin’ny kaominina iray. Tsy maintsy hasiana fepetra izany mba hahazoana manatanteraka azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Fianarantsoa tamin’ny anaran’ny Irmar, Rajoelina Seth, ny amin’ny anto-bola hiatrehana ny fifidianana kaominaly. Izany tsy hoe fanilihana ny hafa, fa ilaina koa ny hahazon’ny vahoaka mametraka tsara ny safidiny. Raha kandidà be dia be no hametrahan’ny vahoaka ny safidiny mety ho sarotra ny hisafidianany olona iray amin’izany kandidà 35 izany, ohatra, amin’ny kaominina iray. “Manaiky vahoaka ny fifidianana kaominaly, fa ao anatin’ny kaominina ihany”, hoy kosa izy momba ny fanemorana izay fifidiannaizay. Misy antony voafaritry ny Lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana no ahazoana manemotra ny fanatanterahana azy. Raha izay daty nahemotra izay no mahavonona sy ahazoana manao zavatra tsara sy hahatonga lafatra ny fifidianana: izay no zava-dehibe. Aiza ny mahasoa ny vahoaka?
R. Nd.




