Na tsy mivoaka aza ny tetiandro: miomana hatrany amin’ny fifidianana ny Ceni

“Raharaham-pirenena ny fifidianana ary ny lalàna no manery ny tomponandraikitra isan’ambaratonga hiroso amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriama­ro­ta­fika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Tsy misy antony tsy hahavonona sy tsy hahatombana ny enti-manana
amin’izany. Adi­din’ny Ceni no mifampiraharaha amin’ny tomponandraikitry ny fitantanam-bolam-panjakana, mandresy lahatra azy ireo amin’izay takin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Misy lafiny teknika mety hanery ny tomponandrikaitra hieritreritra hoe: sao tratra aoriana loatra raha miandry 90 andro mialoha vao hamoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy? Heverina haha­tsapa an’izay ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Na ny fanontana ny biletàm-pifidianana aza, ohatra: tsy mitovy ny fe-potoana takina tamin’ny fifidianana filohan’ny Repo­bli­ka izay biletàm-pifidianana iray sy izay ilaina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna 1 600 mahery ny kaominina mane­rana an’i Mada­gasikara.

 

R. Nd.

Partager sur: