Hatramin’izao, andrasana ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Toy inona? Indrindra izay andrasan’ ny vahoaka… Maneho ny fijeriny ny mpikatroka eo anivon’ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM), Rakotoarijaona Jerry.
Gazety Taratra (*): Governemanta toy inona no andrasan’ny vahoaka amin’izao?
Rakotoarijaona Jerry (-): Be dia be izay fampanantenana nataon’ny mpitondra izay… Misy ny efa vita amin’izany, ny eo an-dalam-panatanterahana, ny mbola hatomboka. Ny andrasan’ny vahoaka dia ny fanatanterahana izany, indrindra ireo tetikasa manakaiky sy mifanandrify amin’ny filany. Izay ny governemanta ilain’ny vahoaka: tena hiasa izany mba hahitana fiovana miantraika hatrany am-bilaniny.
* Inona no heverinareo ho tena maika amin’izao?
– Ny sosialy aloha no maika, fa tena tafalatsaka lalina isika… Eo, ohatra, ny vidim-bary, ny lafarinina, ny menaka, ny siramamy… Maika izay tena ilaina andavanandro. Eo koa ny fanarenana ny Jirama amin’ny famatsiana jiro sy rano, fa mikaikaika ny olona. Tokony samy hieritreritra ny mpanao politika rehetra amin’izao: mitondra fiovana sy fampandrosoana ho an’i Madagasikara ve ny adilahy sy fifamaliana politika natao teto hatramin’izay? Na ho an’ny mpanohana na ho an’ny mpanohitra, misy tombontsoa ho an’ny vahoaka mivantana ve izay zavatra natao izay? Tsy tsara ve mba mijery fampandrosoana amin’izay isika? Mba mifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy hoe tsy miasa ny fampandrosoana an’i Madagasikara, fanatanterahana asa sy fanomezana asa ho an’ny olona mba hahitany sakafo hohaniny sy izay rehetra ilainy.
* Ny fijerinao ny fahamarinan-toerana politika sy ny fifidianana kaominaly mihemotra?
– Mbola maro anisa eny amin’ny Antenimierampirenena aloha ny depiote mitondra ny lokon’ny mpitondra na ny manohana ny fitondrana. Antenaina fa hampiditra ben’ny Tanàna maro izay mitovy fijery amin’ny fitondrana. Ny ben’ny Tanàna no tena hametraka ny fampandrosoana ifotony. Izay no hiteraka fahamarian-toerana ho an’ny fitondram-panjakana.
Mila fiomanana tsara ny fifidianana, fa ilaina tena madio sy demokratika. Ny hoe mihemotra: tsy mbola misy daty ofisialy. Vao vinavina no natolotry ny Ceni. Anjaran’ny fahefana
mahefa ny amin’izany no manapaka ny tetiandro hanatanterahana azy.
Nangonin’i R. Nd.




