I Miharisoa Sarah no filohan’ny komity mpitsara. Anisan’ ireo mpitsara sady “coach” kosa Rabeharinirina Manjato Lalasoa, Ramarobandro Michou ary ireo mpikambana ao amin’ny komity Miss Madagascar. Izy ireo, araka izany, no hisafidy amin’ireo tovovavy avy amin’ireo faritra 19 handray anjara amin’ny lanonam-pamaranana ny 28 septambra izao, eny amin’ny Canal Olympia […]
Mois : septembre 2024
Fampianarana, zavakanto sy haisoratra : nodimandry ny Pr. Serge Henri Rodin, na i Korb
Very olobe iray ny tontolon’ny fampianarana ambony, ny hiasoratra, ny zavakanto ary ny kolontsaina. Nodimandry mantsy ny profesora Serge Henri Rodin. Andro manjombona indray… Nampahafantatra ireo akaiky azy fa nodimandry ny alin’ny talata hifohy alarobia teo ny profesora Serge Henri Rodin. Misaona, araka izany, ny tontolon’ny fampianarana ambony, ny kolontsaina, […]
VAOVAO TAMBATRA
Misongadina i Madagasikara mandritra ny hetsika “International French Travel Market (IFTM)”, atao any Paris, ny 17-19 septambra. Nampahafantarina ireo tolotra momba ny fizahantany swy hanatanterahina fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra eto an-toerana sy any ivelany ho an’ny fampiroboroboana sy fampahafantarana ny Nosy malagasy. Mandeha ny fandrakofana godirao ny lalam-pirenena 12A, ampahany […]
Tosika ho an’ny famokarana : mifanome tanana ny fanjakana sy ny ESSA
Miantsehatra eo amin’ny tontolo ambanivohitra sy manohy ny fikarohana avokoa ireo injeniera nivoaka avy eny amin’ny Sekoly ambony momba ny Hay famokarana sy ny zavaboahary (ESSA), eny anivon’ ny Oniversiten’Antananarivo. Manome lanja ny fampianarana ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny fanjarian-tsakafo ny ESSA, amin’ny alalan’ireo voka-pikarohana sy […]
Faly mifanambaka
Natao ihany ny hangina manoloana ny fizotry ny andavanandron-dRamalagasy fa tsy maintsy miteny. Arakaraka ny nivoizana sy nametrahana minisitera mpiahy ny Firaisankina no mainka manao valala an-karona ny mpiray tanàna sy ny mpianakavy. Mahakivy ny mahita ny zava-mitranga any anaty fiarahamonina rehetra any. Mahazo vahana ny mpihavana, na ny […]




