Manatanteraka ny fandaharanasa vatsian’ny Tahirim-bola eoropeanina ho an’ny fampandrosoana (Fed) ny Birao tantsoroka ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany (Bace). Mitentina 492 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara. Ao anatin’ny sehatra tohanan’ny Vondrona eoropanina ny fampandrosoana eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny fandaharanasa Rindra. Manatanteraka azy ny Bace, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena […]
Mois : septembre 2024
TSELATRA
Maty voatifitry ny zandary tao amin’ny kaominina Bemahatazana, Tsiroanomandidy, afakomaly, i Bela, dahalo raindahiny amin’ny fanafihana sy fanakanan- dalana. Niafina tao amin’ny kizo ao Marofoty izy sy ireo namany no nifanehatra tamin’ny zandary. Teo am-pitsoahana ny kizo izy no maty voatifitra.
Kaominina Ivato : mpirahalahy niara-namaky trano
Mpirahalahy iray tampo, niaraka namaky trano ka samy voasambotry ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ilaivola, kaominina Ivato, ny 15 septambra teo. Nihaodihaody teo amin’ny tokantrano an’ny mpiray monina aminy izy roa lahy. Tamin’ny 3 ora tolakandro, nosokirin’izy mirahalahy ny varavarankelin’ny trano. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io izy ireo. Tsikaritry […]
Fanafihana olona mitondra vola : ahina ho mpiray tendro ny mpiasan’ny banky
Misesisesy tato ho ato ny trangana fanafihana mitam-piadiana ireo olona avy maka vola ao amin’ny banky ao Toamasina. Ny alatsinainy 16 septambra 2024 teo, tovolahy iray avy naka vola tamina banky iray ao Toamasina no lasibatry ny jiolahy tao Bazarikely akaikin’ny toerana fivarotana kapa. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 16 […]
Fako nodorana nitera-doza : trano 11 tafo levon’ny afo
Tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano ny olona maherin’ny 100, ao amin’ny fokontany Ambalamarina, kaominina Andina, distrika Ambositra, ny faran’ny herinandro teo. Nisehoana fahamaizana niteraka fahasimban’ny trano miisa 11 tafo tao amin’ny tanànan’i Sahasaorina. Nandoro fako tsy lavitra ireo trano ireo ny iray tamin’ny mponina ao an-toerana. Nandadizan’ny afo tampoka anefa […]




