Mois : septembre 2024

TSELATRA

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray sady nanolana vehivavy manodidina ny 18 hatramin’ny 20 taona tao Ankisirasira, kaominina Morondava, ny 20 septambra teo. Misandoka ho mahita asa ho an’ireo vehivavy lasibatra ireo izy. Maherin’ny 20 isa ireo azony tamin’ny alalan’io fisandohana io.

Toamasina : manjaka ny asan-jiolahy mitam-piadiana

Tsy laitra iainana! Izay no ilazana ny zava-misy ao an-drenivohitry ny faritra Atsina­nana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vaky trano, olona voaendaka, fanafihana fiara mpitatitra eny amin’ny lalam-pirenena. San­tionany amin’ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika ny mponina ao Toamasina izany. Tao anatin’ny roa andro, sesilany ny fanendahana mpitondra bajaj sy fiara […]

Sambava : mpivady niara-maty

Niara-hitafaty tao an-tranony ny mpivady, tao Antsaha­mivondraka Bekatseko, kaominina Andapabe Bemarivo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Tsy nifankahazo izy mivady ireto ka niafara tamin’ny fifamonoana izany. Mipetraka tany an-tsaha somary misitaka ny tanàna no nisy ny tranon’izy mivady. Nahitan’ny nanatri-maso dian’antsy ny haton’ilay lehilahy izay nitsirara teo afovoan-trano niaraka amin’ny vadiny. Niparitaka […]

Mamo am-perinasa : mpamily taxi-be voasambotra

Mamo teo am-pamiliana, nosamborin’ny zandarimaria ny mpamily iray teny Ambohibao, omaly. Nijanona teo afovoan’ ny arabe, nibahana fifamoivoizana io fiara nentin’io lehilahy io. Niezaka nanisaka azy ny mpitandro filaminana. Nanatona ny mpamily ny mpitandro filaminana. Mamo anefa ilay mpamily. Natsahatra tamin’ny asany avy hatrany izy ary nentina, naiditra am-balam-pamonjana tao […]

Olona roa avotra… : dahalo mpaka an-keriny maty voatifitra

Rotiky ny balan’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana tao Vohilena, Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny. Teo am-pikasana haka vola tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny ireo malaso no nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana… Maty voatifitry ny mpitandro filaminana tao Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly, ny iray amin’ireo dahalo mpaka an-keriny, […]