Amin’izao fotoana izao, manatona ombiasa sy mpitaiza olona ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Betsaka ihany koa anefa ny mamonjy mpiandry eny anivon’ny fiangonana. Antony mandrisika azy ireo ny olana vokatry ny adim-piainana sy ny fitiavan-karena ary noho ny aretina mahazo. Ambanivohitra sy miala ny renivohitra no tena ahitana ny mpitaiza olona […]
Mois : septembre 2024
FANTINA sy FINTINA
Raha misy kaominina tsy misy kandidà na mpifaninana, tsy maintsy misy ny fanamarinana an’izay. Mety hisy ny fanaovana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly. Jerena ny hahazoana manatanteraka an’izay. Voafidy avy hatrany ny kandidà tokana, na firy na firy tonga mifidy. “Efa nilaozan’ny […]
Fivoriamben’ny mpirakidraharaha fitsarana : hanapahan-kevitra momba ireo fitakiana
Fanomezan-kasina ny maripahaizan’ny mpirakidraharaha fitsarana; fanatsarana ny fampidirana mpiasa maimaimpoana, nefa tsy mandalo fifaninanana sy fizaran-draharaha… Ireo no anisan’ny nangatahin’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha fitsarana eto Madagasikara (SGM). Nandritra ny roa taona izay. Saingy tsy mbola nisy nivaly… “Mbola misy ny zavatra maromaro ankoatra an’izay: ny fahazoanay fahazoan-dalana manao fanenjehana na fitoriana. […]
Adin’ny samy goavana
Raikitra izany ny lalao! Miditra tsikelikely ny mpandimby ny anaran-dray. Ny an’ny sasany any amin’ny politika, ny an’ny hafa any amin’ny fandraharahana. Samy zanaky ny henjana tokoa ka tsy mifampidera taim-by. Mitovy izy ireo fa tsy sahala, hoy Ramalagasy izay. Mibaribary fa samy baikoin’ny tombontsoany. Dia inona moa fa […]
Antananarivo Renivohitra : ho henjana ny fifaninanana
Adin’ny samy tanora! Adin’ny samy henjana! Kandidà samy manana ny maha izy azy miisa fito mianadahy no hifaninana ho an’Antananarivo Renivohitra Nifarana omaly ny fametrahana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidin’ireo maniry handray anjara amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna. Ho an’ny teny amin’ny Ovec Isotry, izay fametrahana antontan-taratasy ho an’Antananarivo Renivohitra. Niisa fito ireo […]




