Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 95% amin’ireo ankizy marary miditra ny hopitalim-panjakana. Mandray an-tanana ny fitsaboana azy ireo sy mizara fanafody maimaimpoana ny Compassion de Madagascar. Anisan’ny misitraka izany sy noraisina an-tanana koa ireo olona tena misedra aretina sarotra sitranina, toy ny homamiadana, nefa sahirana ara-pivelomana. Tanjona ny hanampiana ny ray […]
Mois : novembre 2024
Ady amin’ny herisetra : fanamby maro hiarovana ny ankizy
Tany Bogota Colombie ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ny herinandro teo, niatrika ny fivoriambe voalohany maneran-tany mahakasika ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy. Nampahafantarina, tamin’izany, ny ezaka sy ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny fiarovana ny ankizy iharan’ny herisetra. Napetraka ireo fanamby hotanterahina, toy ny […]
Ady amin’ny doro tanety: nivoaka ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana
Mila paikady mazava sy mahomby ny ady amin’ny doro tanety. Izany indrindra no antony namolavolana ny drafitra entina hifehezana izany. Nampahafantarina ny faran’ny herinandro teo ny drafitra ho fiatrehana ny hamehana amin’ny doro tanety sy doro ala, niarahana tamin’ny BNGRC sy ny minisiteran’ny Totolo iainana. Noho ny firongatry ny fandoroana […]
3FB Rugby : Takin’ireo mpilalao tranainy ny hialan’ny filoha sy ny mpanazatra
«Afa-nenina izahay ary efa feno ny kapoaka ka tsy afaka ny hitazam-potsiny intsony amin’ny fahapotehan’ny klioba 3FB rugby»,hoy ireo mpilalao tranainy, ny sabotsy lasa teo, tetsy Ankadifotsy. Araka izany, takin’izy ireo ny fametraham-pialan’ny filoha ankehitriny miaraka amin’ny mpanazatra. Nambaran-dRakotoarimanana Jas Nirina (Bodhy), fa marary ny klioba ka aleo horaisinay mpilalao […]
« Grand Tournoi Antananarivo » : Tafita amin’ny famaranana ny Cosfa sy ny CFFA Andoharanofotsy
Notontosaina teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, omaly, ny manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Grand Tournoi Antananarivo”. Ny ekipan’ny Cosfa Miaramila sy ny CFFA Andoharanofotsy no tafavoaka hanao famaranana sy hiady ilay lelavola 20 tapitrisa Ariary amin’izany. Raha hiverenana ny voka-dalaon’izy ireo, ny ekipan’ny Cosfa nandresy ny Avenir Ste Anne […]




