Mois : décembre 2024

Hatsikana : Hiseho eto Madagasikara i Amine Radi

Tanterahina rahampitso, eny amin’ny Centre de confé­rence internationale (CCI) Ivato, ny fampisehoana hatsikana iarahana amin’i Amine Radi. Seho izay karakarain’ny Ami vison Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Sambany hanao fampisehoana eto Madagasikara i Amine Radi. Handray anjara amin’izany, hanatontosa ny tapany voalohany i Raitra Belaw’Ick sy i Lalaina Babeine. Tom­bony […]

Rock fusion : Tsy mitsaha-mikaroka ny Groupe Hell’s

Taona 2017, tafatsangana ny Groupe Hell’s. Ny « rock fusion » na ny « rock », nasiana fangaron-gadona hafa nolo­kon’ny mozika trandrahin’ny tarika. Tsy mitsahatra ny mikaroka ireo mpikambana ao aminy. Fikarohana roa no ani­san’ny mampiavaka ny Groupe Hell’s miangaly ny « rock fusion » na ny « rock » asiana fangaron-gadona hafa tahaka ny « blouse ». Iray amin’ireny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny sabotsy 14 desambra izao, eny amin’ny Dojo Hakudokan Anosy, ny “Meeting des arbitres”, ho an’ny taranja judo. Fotoana natao ho fiomanan’ireo mpitsara amin’ny fanadinana hatrehin’izy ireo mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara ny 20,21,22 desambra izao izany. Mikarakara fifaninanana mialoha ny hanoka­fana ny taom-pilalaovana 2025 ny Ligin’Analamanga ny […]

Cosafa U17 – vehivavy : Resin’i Zambie ny Barea de Madagascar

Tapitra teo amin’ny ankatoky ny famaranana ny nofinofin’ny Barea de Madagascar, ny amin’ny handrombahana ny amboara ho an’ny Cosafa, sokajy zandriny U17, vehivavy, taranja baolina kitra. Resin’i Zambie, tamin’ny isa mazava 3 no ho 0, ry zareo. Fihao­nana, natao omaly, tao amin’ny Kianja UJ Soweto stadium, Afrika Atsimo. Nanantombo teo […]

Grand Prix Karting : ho fantatra ny alahady ireo tompondaka

Hotanterahina ny sabotsy 14 sy ny alahady 15 desambra ho avy izao ny dingana fahenina amin’ny fifaninanam-pire­nena amin’ny karting na ny “Grand Prix karting”, tohanan’ny Motul ho an’ny taom-pilalaovana 2024. Io no fampahafanta­rana nataon’ny klioba FMMSAM, mpikarakara ny hetsika tamin’ ny mpanao gazety, ny talata lasa teo, teny Ankorondrano. Fifaninanana […]