Mois : décembre 2024

Kick Boxing-Afrika : Medaly volamena 3 sahady no azon’ny Malagasy

Mandravarava ny Malagasy mpikatroka, taranja kick boxing, any Afrika Atsimo, ao anatin’ny fiadiana ny tompon­dakan’i Afrika, nanomboka omaly. Medaly volamena 3 sy volafotsy iray sahady no azon’i Madagasikara. Tsara fanombohana ny solontena malagasy nan­dritra ny andro voalohan’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kick boxing, omaly, izay hatao any Afrika Atsimo. […]

INDRAY MIJERY

Nanao fanambarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antananarivo, fa mitsipaka ny fampiatoana ny fanohanana ny voka-pikarohana thèse de doctorat sy HDR efa nahazo fankatoavana tamin’ ny commission na ireo efa nametraka petadrindrina na tsia. Ny antom-pisian’ny toeram-pampianarana ambony no miato raha mihatra izany, hoy ny fanazavana. Mahatratra 150 ny […]

Fanadihadiana MICS 7 : Miofana ao Toamasina ny mpanao gazety

Hanomboka amin’ity volana ity ary hitohy hatramin’ny vo­lana avrily 2025, ny fanadihadiana momba ny toe-piainan’ ny ankizy sy ny vehivavy an­diany fahafito MICS 7, tanterahin’ny Ivontoerana misahana ny antontanisa eto Madaga­sikara (Instat). Atao isaky ny dimy taona ny fanadihadiana ho an’ny tokantrano notsongaina mahatratra 21 000 eny anivon’ny faritra 23, araka […]

PDS an’Antananarivo : « Mandroso ny asa eto amin’ny CUA»

« Mandroso tsara ny asa eo anivon’ny tanàn’Antananarivo amin’izao fotoana izao, misy ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ ny fanjakana », hoy ny PDS an’Antananarivo renivohitra, Ale­xandre Georget, nandritra ny fandatsaham-bato nataony tetsy anivon’ny EPP Ambohitsoa omaly. Porofon’izany, ny tsy fahitana firy ny fako mivangongona eny rehetra eny. Eo koa ny fanasana rano […]

Ho lasa rivodoza mahery vaika i Chido : Tany amin’ny 940 km atsinanan’ Antsiranana I izy omaly hariva

Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivodoza Chido ity rahampitso amin’ny tanjaka cyclone tropical. Hahatratra 8 metatra ny haavon’ny onja. Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, tany amin’ ny 940 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’ iilay rivodoza Chido. Niakatra ho 155 km isan’ora […]