Anisan’ireo hetsika hita eny amn’ny Musée de la Photographie Anjohy ny fampirantiana ny sanganasa sy ny momban-dRamilijaona. Izy izay sokajian’ny rehetra ho Rain’ny Sary pika malagasy. Fampirantiana izay nanomboka ny volana desambra 2024 hatramin’izao. Tanjona ny hampahafantra ny taranaka aty aoriana ny olona nanana ny naha izy azy fahiny. Tamin’ny […]
Mois : janvier 2025
“Prix Paritana” andiany fahasivy: efa nisokatra ny fandraisana anjara
Misokatra ny 3 janoary hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny tetikasan’ireo mpanakanto maniry ny handray anjara amin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahasivy. Eo anivon’ny tranokalan’ny Fondation H no ahafahana manao izany fisoratana anarana izany. Malagasy mpanakanto na mpanakanto monina eto Madagasikara no afaka mandray anjara amin’izany. Tohana amin’ny lafiny […]
Cité des Cultures: nahaliana ny mpanatrika ny «Sabotsy … Hizara Kanto »
Hetsika vaovao, anisan’ny tsara ho an’ny mpisehatra eo anivon’ny zavakanto rehetra ny « Sabotsy… Hizara kanto ». Hitohy ary hifantoka amin’ireo lohahevitra mamoaka ny mararin’ny zavakanto ny hetsika, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, ny « Sabotsy… Hizara Kanto ». Hetsika ahitana velakevitra sy valandresaka […]
Voatery mampihatra ny atao hoe « vary tomboka », ny tantsaha mpampihatra ny vakiambiaty aty afovoantany amin’izao tsy fisian’ny ranonorana izao. Nambaran’izy ireo, fa fotoana tokony efa fanetsana na famafazana ketsa izao fiandohan’ny janoary izao, raha ny fanao isan-taona. Hany vahaolana, ny fandatsahana ny vary akotry avy hatrany amin’ny tanimbary, […]
Fodiana an-tanindrazana: azo atao ny tsy mandoa haba
Mampahafantatra sady mampahatsiahy ny Fitantanana foibe ny ladoany (DGD), fa afaka tsy mandoa haban-tseranana ireo entana fampiasa ao an-tokantrano, ho an’ny olona hifindra monina tanteraka aty Madagasikara. Anisan’ny fepetra takina ny nipetrahana tany ivelany herintaona fara fahakeliny. Efa nampiasaina herintaona fara fahakeliny ho an’ny entana manokana. Mahakasika ny fiarakodia, efa […]




