Mois : janvier 2025

Rugby- Diviziona I: hisy ny fifaninanana hitiliana ny Makis Seven

Raha ny vaovao voaray, omaly, teo anivon’ny Mala­gasy Rugby, hisy ny fifanintsanana lalaovin’olona fito, karakarain’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana, hatao ny 18 sy 19 janoary ho avy izao izany, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Zava-dehibe tokoa ity fifaninanana ity satria natao hitiliana ireo mpilalao handrafitra ny Makis Seven, […]

Vina 2025: manana ny vinany ireo mpanao fanatanjahantena

Taom-pahombiazana no hirian’ny rehetra amin’ity taona 2025 ity. Misy ny vina sy tanjona ho an’ireto mpitantana sy atleta ireto hahazoana izay fahombiazana izay, toy ny fiatrehana ny fifaninanana iraisam-pirenena sy ny fanatsarana hatrany ny fifaninanana eto an-toerana. -Ho laharana voalohany hatrany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena rehetra hatrehako, eo amin’ny taranja Judo […]

AFROBASKET 2025: vonona hanatevin-daharana ireo mpilaravinahitra

Hotanterahina ny volana febroary izao ny dingana farany amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila ho amin’ny “Afrobasket 2025”, sokajy Seniors. Malagasy mpilalao any ivelany maro no maneho ny fahavononany hanatevin-daharana. Mbola tsy fantatra aloha hatreto izay firenena handray ity dingana farany amin’ny fifanintsanana basikety ity, saingy raha ny vaovao heno dia […]

Sombim-baovao

Ny marika Umbro no fanamiana hoentin’ny Barea de Madagascar hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, “Chan 2025”. Raha tsy misy ny fiovana farany, hanomboka ny volana febroary ho avy izao ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny taranja tsipy kanetibe. Hisy ny fifaninanana hahazoana isa ary eo koa […]

Presidential Medal of Freedom: tsy nitranga tamin’ny fanolorana medaly i Messi

Mialoha ny hialan’ny filoha Joe Biden amin’ny toerany, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tany Etazonia, tao amin’ny trano fotsy, izay toeram-piasan’ny filoham-pirenena amerikanina ny lanonan-dehibe “Presidential Medal of Freedom”. Fotoana hanomezana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana ho an’ireo olona niavaka indrindra tany amerika, ny taona 2024. Niisa 19 izy ireo no nisitraka […]