Nankatoavin’ny Tahirimbola iraisampirenena (FMI) ny famatsiam-bola anankiroa ho an’i Madagasikara, ny 19 jolay 2024. Mitentina 337 tapitrisa dolara ny voalohany, ho an’ny Findramam-bola nohamoraina (Fec), raha 321 tapitrisa dolara ao anatin’ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD) ny faharoa. Raha ny tatitry ny FMI, ny oktobra 2024, maromaro […]
Mois : janvier 2025
Indray mijery
Manerana izao tontolo izao, olona 1 isaky ny 24 segondra no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe (OMS 2024). Fanamby hotratrarina ao anatin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) ny hampihenana ho 50% ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana amin’ny taona 2030. “Isika eto Madagasikara, mandray anjara feno amin’ny fanatrarana […]
Lalana Ambohitrimanjaka: tsy voafehy ireo mpanaha vary, mpanasa fiara…
Fotoana fiakaran’ny vary aloha eny amin’iny lemak’Ambohitrimanjaka iny izao. Miverina indray ny fanahazam-bary amin’ny arabe. Tataovan-doza na ireo mpanahy vary na ny fiara mivezivezy amin’iny lalana iny. Natao handehanana mafy ny lalana mikodana miainga eny Ankasina mandalo ny tetezan’Ambohitrimanjaka mivoaka an’Andranotapahina iny. Tena mirimorimo ny fiara satria natao ialana amin’ny […]
Fahasalamana: hiverina hiasa eto Madagasikara ny sambo hopitaly Mercy Ships
Manomboka anio hatramin’ny 17 janoary ny fandraisana marary vaovao hanaovana fizaham-pahasalamana mialoha ho an’ireo olona maniry ny hisitraka fandidiana amin’ilay sambo hopitaly Mercy Ships. Hatao ao amin’ny hopitalibe Analakininina sy ao amin’ny CHU Morafeno izany fizaham-pahasalamana mialoha izany. isaky ny alatsinainy, talata, alakamisy ary zoma Hiverina hiasa ao Toama-sina indray […]
Conim: tokony hiditra anaty holafitra avokoa ireo infirmiera rehetra
Hentitra ny filohan’ny Conim ny amin’ny tsy maintsy hidiran’ny infirmiers anaty lisitry ny holafitra. Sehatra hahafahana mifampitondra sy miaro azy ireo amin’ny asany izany ka tsy tokony hiangaviana akory. Fanentanan’ny Holafitry ny infirmiera (Conim) amin’izao voalohan’ny taona izao ny tokony hidiran’ireo infirmiers rehetra anatin’ny holafitra. Io no fomba iray mamaritra […]




