Tsy ny Barea de Madagascar irery no miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina sady tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025». Manana mpitsara hitantana izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany koa ny Malagasy. 26 andro tsy hahatongavana amin’ny fiadiana ny […]
Mois : janvier 2025
Fihirana eny an-dalambe Tsy fialamboly fotsiny fa fivelomana
“Sady miala voly no mampifaly ireo eny an-dalambe no mitady vola”, hoy Randrianarisoa Léon Victor, anisan’ireo mpanao ity asa iray ity. “Sarotra ary ilaina fanomanana goavana izy ity saingy fivelomana ka atao am-piniavana”, hoy ny nambarany. Ankohonana anisan’ny mivelona amin’ny fihirana an-dalambe ry Randrianarisoa Léon Victor mianakavy. Eny Ankadikely Ilafy […]
Fantina sy fintina
Mangataka ny hisian’ny fitoniana ho amin’ny fampandrosoana amin’izao taona vaovao izao ny filohan’ny fikambanana Tanora miantsehatra (Tamia), Randriamahefa Benjamina, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny Tamia, indrindra eo amin’ny lafiny sosialy. Tarigetrany nandritra izay 13 taona nijoroany izay ny fandraisana andraikitra tsy misy takalony sy ny […]
Politika… ady saritaka
Hatramin’izao, ady saritaka mandrakariva ny politika. Nahoana? Saika ady toerana sy tombontsoa manokana hatrany no manetsika sy manesika ny ankamaroan’ny mpanao politika. Eny, na ny mpiray donak’afo izao aza: misy miady ho lohany. Tsy takona afenina izany tamin’ny firotsahan-kofidina tamin’ny fifidianana nifanesy teo, ohatra. Nisy tsy nanaiky ho fehezin’ny vondrona […]
Ben’ny Tanàna: manana anjara asa goavana amin’ny faritra iadidiny
Vita ny fifidianana ka miandry ny vokatr’izany ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, amin’izao fotoana izao. Iray volana aorian’ny datin’ny fandatsaham-bato no tokony hivoaka izany, araka ny voafaritry ny lalàna. Vinavinaina hivoaka ny 11 janoary 2025 izany ny voka-pifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsaina. Anisan’ny fifidianana iankinan’ny fampandrosoana ny tanàna […]




