Miha manafika ao an-toerana ilay rivodoza Faida. Natsahatra ny fampianarana ao amin’ny Dren Atsinanana manontolo. Ho betsaka ny rotsakorana ka mila miomana amin’izany ny mponina. Namoaka naoty ny prefektora ao Toamasina hampitsaharana ny fampianarana ao an-toerana, ho fiarovana ny ain’ny mpianatra anatin’ny fandalovan’ilay rivodoza Faida. Nivory ny Komitim-paritra mitantana ny […]
Mois : février 2025
VAOVAO TAMBATRA
Misokatra ny fisoratana anarana handrafetana ny ekipa malagasy ho an’ny “First Global Challenge 2025”. Fifaninanana iraisam-pirenena mamory tanora malagasy 13 ka hatramin’ny 17 taona, mbola mpianatra manam-pahaizana mahakasika ny robotika. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto amitsika ny fisian’ny hetsika toy izao. Manomboka amin’ny 34 106 ka hatramin’ny […]
Faritra mando: Tototry ny fasika ny farihin’i Mandroseza
Natokana ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando ny 2 febroary. Omaly 3 febroary kosa ny fotoana nankalazana izany tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny farihin’i Mandroseza. Nitarika izany ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Lohahevitra noraisina « Ny faritra mando dia fitsinjovana […]
Madagascar Airlines: Hiverina ny sidina Paris-Antananarivo
Hiverina hanao sidina iraisam-pirenena, mampitohy an’i Paris sy Antananarivo, ny kaompania Madagascar Airlines amin’ny alalan’ny fifanarahana « codeshare » iarahany amin’ny Air France. Manan-kery manomboka androany ny tolotra. Noho izany, afaka mametraka ny kaodiny ao amin’ny kaompania Air France amin’ny laharana MD 7050 ireo mpandeha ny sidina Antananarivo-Paris an’ny kaompania malagasy. Raha […]
Tetikasa fanovana ny fomba fambolena: Miisa 1 400 ny tantsaha nisitraka masomboly vary safiotra
Sompitr’i Madagasikara ny faritra Alaotra Mangoro, antony nanokafan’ny filoham-pirenena ny fizarana hanam-pamokarana sy masomboly vary safiotra teny amin’ny Kianja maitson’ny kaominina Tanambe, distrika Amparafaravola, omaly. Mpamokatra miisa 1 400, ao amin’ny distrik’Amparafaravola, nisitraka masomboly avy amin’ny filoham-pirenena anatin’ny tetikasa fanovana ny fomba fambolena sy fampitomboana ny vokatra eto amintsika. Miisa 12 […]




