Mois : février 2025

Faritra Atsimo Andrefana: Tokantrano traboina nizarana fanampiana

Nahafefika tanàna maro tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Avy hatrany ny fitondram-panjakana dia naniraka ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, namangy ireo olona traboina. Tonga tao an-tampon-tanànan’i Toliara sy ny distrikan’i Morombe ireo iraka izay nitondra vary sy […]

Skotisma : Fihaonambe telo hatao eto Madagasikara

Handray fihaonamben’ny skotisma intelo miantoana i Madagasikara amin’ity taona ity. Vahiny an’aliny no ho avy ary fotoan’ny soa fanararaotra rehetra ireo hetsika telo ireo. Hotanterahina eto Ma­dagasikara ny 12 hatramin ’ny 16 marsa izao ny fankalazana ny Andro afrikanina ho an’ny skotisma, andiany faha 15. Anjaran’i Madagasikara no mampiantrano ireo […]

Judo- « Grand Slam 2025 »: Samy resy tamin’ny fihodinana voalohany i Laura sy i Lova

Nifarana omaly alahady, ny fifaninanana « Grand Slam de Paris », taranja Judo, notanterahina tao amin’ny Arènes de Bercy, tany Paris. Tsy nahomby ny solontena malagasy. Omaly no niakatra tatami ny solontena malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura (-70kg) sy Randrianasolo Lova Mahaisoa (-81 kg), tao anatin’ ny fifaninanana « Grand Slam de Paris ». Teo […]

Fifanintsanana Afrobasket 2025: Hanomboka anio ny fampivondronana ny Ankoay

Nifarana ny sabotsy teo, ny kotrana sy ny fanazaran-tena nataon’ny Malagasy mpilalao mandrafitra ny Ankoay, lehilahy, ho fanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny « Afrobasket 2025 ». Fanazaran-tena natao teny Imerikasinina sy teny Mahamasina. Nisy mihitsy ny fandaharam-potoana narahan’ireo mpilalao tamin’izany. Hihamatotra izany fanazaran-tena izany, manomboka anio, ka hivondrona eny amin’ny Cnaps […]