Nandray ny toerana maha filohan’ny Federasiona malagasin’ ny Golf, afakomaly, Ravatomanga Maminiaina. Goavana ny fanamby napetrany, toy ny fidiran’ny taranja ao anatin’ny kaomity olympika. Hitantana ny Federasiona malagasin’ ny Golf (FM Golf) mandritra ny efatra taona manaraka, Ravatomanga Maminiaina. Nametraka fanamby goavana hampivoarana io taranja io izy. “Mazava ny vina […]
Mois : février 2025
Rugby eny amin’ny kartie : Tanjona ny hiakaran’ireo mpilalao any amin’ny sehatra avo
Nankalazaina teny Ankatso, omaly, ny fahadimy taonan’ny sekoly mpitaiza ankizy amin’ny baolina lavalava, AJS. Nisy ny fifaninanana izay nokarakarain’izy ireo nentina hanamarihana izany. Ireo ekipan’ny kartie no tena nifanintsana teny an-toerana. Taranja iray azo lazaina fa mahavory ny Malagasy maro ny lalao rugby. Nilaza Rakotoniaina Mbola Lalaina Joel, mpitaiza ankizy […]
TARATRY ny KANTO
Tontosaina isaky ny sabotsy voalohan’ny volana, ny atrikasa mahakasika ny sary, ao amin’ny Ivon’ny Kolontsaina Malagasy, na ny IKM eo Antsahavola. Nitarika, ny sabotsy teo, i R-Aly, mpanao tantara an-tsary sy sariitatra, izay mpanoro sy mpamolavola ireo tanora amin’ity seha-kanto iray ity. Manokatra ny lalana ho an’ireo izay liana amin’izany […]
Hainahandro : « Tombony ny lavanila sy sokola malagasy »
Tsy nitsanga-menatra ny ekipa malagasy. Tonga ny sabotsy teo ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka iraisam-pirenena makasika ny hainahandro, na ny « International Catering Cup 2025 ». Laharana fahefatra maneran-tany ny ekipa malagasy, kanefa kosa nahazo ny loka mendrika indrindra tamin’ny tsindrin-tsakafo na ny « Meilleur dessert du […]
“Slaid the night Nix” : Nampiaina ilay revy Metallica
Tsara tsodrano, sady nahavita tsara! Afaka mireharaha ny tarika Slaid sy ny Nix Band, fa nahavita nampiaina tsara ilay revy Metallica, tamin’ny alalan’ilay seho “Slaid the night Nix”, izay notontosaina ny alin’ny sabotsy teo, teny amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. “Tsy mitsanga-menatra ny mpanakanto Malagasy”, hoy ny nambaran’i Doc Metaly, anisan’ireo […]




