Mois : mars 2025

Rugby ho an’olona 7 – «Challenger series 2025»: Laharana fahenina ny Makis de Madagascar

Tsy nitsanga-menatra ny Makis de Madagascar, nandritra ny dingana voalohany niadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, sokajy lehilahy. Nitana ny laharana fahenina i Madagasikara. Tsara toerana amin’ny fiadiana ny laharana 8 voalohany. Nifarana omaly alahady, tao amin’ny Kianja Athlone Stadium ao Afrika Atsimo, ny dingana voalohany amin’ny […]

Karate : Miverina ny fitiavan’ny olona ny taranja

Feno hipoka ny Kianja mitafon’i Mahamasina, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, ny faran’ny herinandro teo. Porofon’ny fiverenan’ny fankafizan’ny olona ny taranja karate izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasion’ny karate-do malagasy, Ratefinanahary Émile. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny fiadiana ny […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly ilay fandaharana mivantana tamin’ny tambajotra, nentanin’i Hanta Ramakavelo sy i Mirana Haller. Nanodidina ny lohahevitra “Teny ma­lagasy iainana” sy ny “Laka –Laza” ny famakafakana nentin’izy mirahavavy nandritra izany. Izay mahazo laka dia manjaka ka malaza. Ahoana no atao mba hahazo laka izay tsara ao anatin’ny tena? Eo amin’izay […]

Anisha Jo : Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy

Seho avy amin’ny fo. Ma­hafehy tanteraka ny natolotr’i Anisha Jo, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena izay. Nalai-nisaraka tamin’ireo mpan­kafy izy, ary izay rahateo no antom-pisian’iny seho fa­hatelo, nandritra ny fandalovany an-tanindrazana iny. No­porofoiny indray, fa manan-kozaraina amin’ireo izay tia azy ity mpanakanto ity. Tsy niala teny aminy ny tsiky, nampiaina […]

« Presques Songes » : Navoakan’ny edisiona Project’ïle indray

Boky nalaza indrindra, sanganasan’ny Malagasy mpanoratra nalaza indrindra. Navoakan’ny edisiona Project’île indray ilay boky « Presques Songes » na « Sari-nofy », nosoratan’i Jean-Joseph Rabearivelo. Amin’ilay endriny amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, toy ny namoahan’ny mpanoratra voalohany azy izany, ao anatin’ny pejy 80. Ho fampahafantarana izany, hisy ny hetsika hotontosaina mandritra ny « Salon […]