Nahatratra telo ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany Ampanihy Andrefana, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, afakomaly. Olona iray tsy hita popoka tany Belo sur Tsiribihina. 42 ireo olona naratra, 38 949 traboina, ahitana izany betsaka indrindra ny any Toliara II, izay manodidina ny 11 308. […]
Mois : mars 2025
Ady mivady nitera-doza : Peugeot 205 nivadibadika teny amin’ny Rocade
Simba tanteraka ny fiara 205 Peugeot iray sy fiara roa hafa niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny Rocade Iarivo, teo anelanelan’Ankerena sy Ambohimahitsy, omaly maraina. Anisan’ ireo nitondra fiara tsy mataho-dalana voakasik’io voina io, i Paolo Raholinarivo, izay Tale eo anivon’ny BNGRC. Araka ny fitantarany ny zava-nitranga, nihoa-pefy tamin’ny hafainganam-pandeha ilay fiara […]
Tanjombato: Lehilahy hita faty tao Ikopa
Nifampitadiavan’ny mpamonjy voina tao anatin’ny ranon’Ikopa, hita faty 15 minitra taorian’ny nikarohana azy ny lehilahy iray, tao Tanjombato, omaly maraina. Latsaka tao anaty rano io lehilahy io. Nampandre avy hatrany ny sampana mpamonjy voina ny olona nanatri-maso teny an-toerana, tamin’ny 9 ora sy 38 minitra. Tsy nipoitra intsony ilay voalaza […]
Hita tamin’ny « caméra de surveillance »: Tratra ireo roa lahy nandroba teny Ambodiafontsy
Tsy niandry ela! Andro vitsy taorian’ny nipariahan’ilay horonantsary naneho ilay famakiana trano niharo fandratrana teny Ambodiafontsy Ampitatafika, tratra ireo roa lahy nahavanon-doza. Miandry izay ho sazin’izy ireo ny mpanara-baovao. Notanana eny anivon’ny borigadin’ny zandarimaria Fenoarivo, omaly, ireo roa lahy nandroba sady nandratra ny zanaky ny tompon-trano tetsy Ambodiafontsy Ampitatafika. Nanao […]




