Mois : mai 2025

Fitsitsiana sy tontolo iainana : Fampiroboroboana ny moto elektrika

Misy ny vahaolana manoloana ny fandaniana solika sady mitandro ny tontolo iainana. Voalohany maneran-tany amin’ny fanamboarana moto elektrika ny marika VMoto. Mitsinjara azy eto amintsika, ny orinasa VMoto Madagasikara eny Anko­rondrano. Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque entina hampiroboroboana ny fampiasana moto elektrika. Nam­baran’ny tale jeneraly lefitra (DGA) misahana ny fampandrosoana, Sipem […]

VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka ny fametrahana ny ivontoerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro ao Toliara, manana tanjaka 5MW. Hatsangana mandritra ny tapany voalohany ny 2,5MW raha hovitaina amin’ny taona ho avy ny tapany faharoa. Mitotaly 10 MW ny tanjaky ny angovo ho azo aorian’ny fanatanterahana ny asa. Tanjona ny hampisitrahana angovo madio ho […]

Toekarena manga : Lalim-pototra ny fiaraha- miasa amin’i Chine

Vita sonia omaly, teny Ampandrianomby, ny fifanaraham-piaraha-miasa an’i Madagasikara sy i Chine momba ny fanondranantsika vokatra mankany amin’ity firenena ity. «Hifantoka betsaka amin’ny fiarovana sy fitiliana ireo hazandranomasina ny fiaraha-miasa mba hiantohana ny kalitaom-bokatra mankany Chine», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Tilahy Désiré. Tanjona ny […]

Toliara II : Nodiovina ny lakandrano manondraka 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny Base Toliara ny mponina amin’ny lafiny famokarana. Nodiovina ny lakandrano entina hanatsarana ny fambolena, tamin’ny alalan’ny Asa tanamaro. Nahatratra 2 700 ny olona nandray anjara tamin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano Andoharano Mamovoky, mampitohy ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisiha, distrika Toliara II. Nanohana ny asa ny orinasa […]

TARATRY ny KANTO

Eusebia etsy amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo. Hanolotra seho, anio manomboka amin’ny 8 ora alina ity zanakavavin’i Jaojoby ity, mialoha ny handehanany hanomboka ny fitetezam-pirenena any Eoropa. Anisan’ireo mpanakanto efa misehatra amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy, kanefa tsy manadino ny mpiray tanindrazana. Revy gitara sy feo, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, […]