Mois : mai 2025

Fivarotana cocaïne : Lehilahy voarohirohy voasambotry ny polisy

Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina afakomaly hariva. Voasambotra noho ny raharaha fitazomana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika (cocaïne) izy ireo. Olona tsara sitrapo no sahy nitoroka ka nahafahana nisambotra azy roa lahy ireto. Natao ny vela-pandrika, vokany tratra tany Ambohijafy ny iray ary tany […]

Zazavavy 8 taona novonoina: naforitra tanaty gony ny fatin’i Raissa

Narian’ireo tsy mataho-tody teo an-tokonam-baravaran’ny renibeny, etsy Antohomadinika ny fatin’i Raissa, zazavavikely vao 8 taona. Naforitra tao anaty gony ny razana efa mangana. Mampihoron-koditra ny zava-misy eto amin’ny tanàna! Zazavavikely iray, antsoina hoe Raissa indray no hita faty tetsy amin’ny fokontany IVO Antoho­madinika Atsimo, omaly tamin’ny 11 ora. Novonoina dia […]

Antenimierandoholona : Hojerena ny haha marin-toerana ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana […]

VAOVAO TAMBATRA

Nampakatra 12% ny taham-bola fototra manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana 8,4% ny Banky foiben’i Madagasikara. Fepetra noraisiny noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny toekarena maneran-tany sy ny olana ara-barotra misy amin’izao fotoana. Mampirisika ny fanitsiana ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena. Lasa fitaovana fampiasa amin’ny politikam-bola ny taham-bola fototra. Tsy hisy ny […]