Mois : mai 2025

Seranan’Ivato: Azon’ny ladoany ny amboara « Best Waiting Time »

Nahitam-bokany ny fanavaozana ny fitantanana ny mpandeha mahakasika ny ladoany eny amin’ny seranam-piaramanidina Antananarivo. Haingana sady tsotra ny fikarakarana. Nahazo ny loka iraisam-pirenena « Best Waiting Time 2024 » ny sampandraharahan’ny ladoany malagasy. Tanteraka izany taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ireo mpandeha eny amin’ny seranana iraisam-pirenena Antananarivo, Ivato. Vokatry ny ezaka maro natao, nanatsarana […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny fampivondronana fahatelo ny Malagasy atleta, mpikatroka ny taranja karate, hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, hatao any Nigéria, ny 23 hatramin’ny 27 jolay izao. Ny 8 hatramin’ny 11 mey, eny amin’ny ANS Ampefiloha, no hanaovana ity fampivondronana ity. Hotanterahina any La Réunion, anio, ny fifaninanana katrokady “Fight Night”, […]

E-Sport – fifaninanam-pirenena : Nitiliana izay hiatrika ny fifaninanana afrikanina

Notontosaina teny amin’ny Stade Barea Mahamasina, ny herinandro lasa teo, ny fia­diana ny tompondakan’i Mada­gasikara, ho an’ny lalao E-sport. Mpilalao 600 mahery no nandray anjara nandritra izany. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny E-sport. Zava-dehibe izao fifaninanana izao satria dingana iray manamarika ny fankatoavana ny taranja eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny filohany, […]

Kids Soccer Atsimondrano : Hiaka-tsehatra ny kilonga U13 sy U15

Mitodika any amin’ny kilonga mpianatra ny fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action, eo amin’ny taranja baolina kitra. Hiakatra kianja manomboka ny volana jona ny sokajy U13 sy U15. Vola 5 tapitrisa Ar no hozaraina ho an’ireo mpandresy. Taorian’ny “Atsimondrano Champions League (ACL)”, taranja baolina kitra, hiitatra any amin’ny sokajy U13 sy U15 […]