Lors d’un entretien diffusé hier soir sur la chaîne nationale, le président malgache Andry Rajoelina a exprimé sa volonté de négocier avec la France pour un accord de restructuration totale ou partielle de 259 millions d’euros, la dette de Madagascar envers la France. Il a cité en exemple la Somalie, […]
Mois : mai 2025
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny momba ny asa fanaovan-gazety. “Ampirisihiko ireo tena mpanao gazety hanatanteraka ny asany am-pahamendrehana”, hoy izy tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niarahaba sy nirary soa ireo miasa eo amin’io tontolo io ny filohan’ny Repoblika. Homarihina sy hankalazaina ny faha-1 700 taonan’ny konsily tany […]
Hafatry ny mpiandraikitra foibe FJKM : “Aoka hojerena ny fahoriam-bahoaka”
Nivory ny herinandro teo, tao amin’ny CFD Ampandrana, ny eo anivon’ny mpiandraikitra foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka ary ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana izy ireo tamin’izany. “Miantso ny mpitondra fanjakana handray andraikitra sy hitondra vahaolana manoloana ny fahasahiranana sy ny fahorian’ny vahoaka. Na ara-toekarena, […]
Fanina sy valalanina
Mifamahofaho ny raharaham-pirenena raha zohiana lalina. Mipoipoitra ny toe-javamisy hafahafa. Tsy mazava ny tian’ny sasany havoaka sy hapoaka eto amin’ny tany sy ny firenena. Mifampiampanga ny samy henjana. Mifanilika andraikitra ny samy tompon’ny hery. Ny tena zava-doza, ilay vahoaka tsimandadiharona no fanina sy valalanina. Inona no tiana hahatongavana, maninona […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo : Hanafatra trakitera ny fitondram-panjakana
Nitondra fanazavana momba ny toe-draharaham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny hanavaozana ny tontolon’ny fambolena hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nasongadin’ny filohan’ny Repoblika fa hanafatra trakitera ny fanjakana hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, niainga amin’ilay lohahevitry ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo momba ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena. “Hatsangana […]




